a
FandraisanaSportDEPIOTE NINA : VOATONDRO HO NANAFINA AN’I FLEURIDO

DEPIOTE NINA : VOATONDRO HO NANAFINA AN’I FLEURIDO

DEPIOTE NINA : VOATONDRO HO NANAFINA AN’I FLEURIDO

Tsy mijanona ary mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary an’i Fleurido ‚ Tovolahy mangitra raketa ‚ voalaza ho tompon’antoka tamin’ny fanapariahana ny horonan-tsarin’ny Mpanakanto Wendy Catalina . Nisy nahita azy nihaodihaody teny amin’ny tranon’ny solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga ‚ ao Ambatobe Antananarivo ny faram-parany herinandro ity ka tonga teny an-toerana nitady azy ireo mpitandro filaminana.

Tsy ato izy ‚ nanamboatra fiarako no nalehany tati ary nisy fiarahamiasa nokasainay hatao ‚ tao amin’ny fesiboky ( Messenger ) nifandraisanay ka tsy manana ny laharana azahoana azy aho ary ny fesibokiny ihany koa tsy mandeha ankehitriny . Tany Mahajanga aho tamin’iny Tranga iny ary niantso azy an-telefonina ka namaly izy fa nisy nanao piratage hono ny kaontiny ka izany no nahatonga iny horonan-tsary iny nipataritaka ‚ hoy Depiote nanadio tena sady niala hilany tamin’ny mpitandro filaminana.

Fanazavana ahitana hevitra mifanohitra ‚ mifono lainga marivo tototra ity nohentiny solombavambahoaka ity ‚ milaza ho tsy manana ny laharana findainy kanefa niantso azy an-telefonina ary nifampiresaka taminy ? Nanomboka oviana ihany koa no « mécanicien » ny asa nahafantarana an’i Fleurido ? Midika ve izany fa ity solombavambahoaka ity no miaro azy amin’ireo fanenjehana maro ilana azy ka hanaovana famotorana ? Ity farany moa nilaza mihitsy fa matahotra ny hivoaka an-gazety sy ahiditra am-ponja i FLEURIDO ka izany no tsy hanatonany ireo mpitandro filaminana . Mitohy ny fikarohana.

DEPIOTE NINA : NANADIO SY NIARO TENA MAFY▪️REHEFA VOATONDRO HO NANAFINA AN’I FLEURIDO‼️

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-