a
FandraisanaToekarenaNAMETRAKA NY MARIMARITRA IRAISANA NY MPAMILY SY NY TOMPON’ANDRAIKITRA ARA-PANJAKANA

NAMETRAKA NY MARIMARITRA IRAISANA NY MPAMILY SY NY TOMPON’ANDRAIKITRA ARA-PANJAKANA

NAMETRAKA NY MARIMARITRA IRAISANA NY MPAMILY SY NY TOMPON’ANDRAIKITRA ARA-PANJAKANA

Hatairana no nandrenesanay ny fiakarany vidin-tsolika izay nihatra avy hatrany ka voatery nampakatra saran-dalana ho 2000Ar sy 1500Ar ny sasany taminay ‚ ny sasany kosa nijanona ho 1000Ar satria tsy mbola nisy fanapahan-kevitra noraisina momba ny fampakarana saran-dalana ‚ marary aminay ihany ilay saingy ny fitondrana ankehitriny efa zatra manao zavatra tampotampoka tahaka izao ihany ‚ hoy ireo mpamily tafaresaka taminay . Nisy ny Dinika niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ireo mpamily TAXI VILLE ‚ ireo manao fitateram-bahoaka zotra Rezionaly sy Nasionaly ary ireo tompona Fiara misehatra amin’izany.

Tapaka nandritran’ny fihaonana fa tsy mbola misy afaka mampakatra saran-dalana ny manao zotra Nasionaly sy Rezionaly raha tsy efa mamoaka ny saran-dalana ofisialy ny Tompon’andraikitra misahana ny fitaterana any amin’ny foibe ‚ noho izany mbola mijanona motovy amin’ny taloha ihany ny saran-dalana ary aza misalasala ‚ miantso sy mampandre anay tompon’andraikitra raha sendra ny fanararaotana ‚ hoy Raozaba Nulecy W. Tompon’andraikitra misahana ny fitaterana an-tanety amin’ny faritra Sofia.

Tsy mbola nisy fanapahan-kevitra tapaka momba ny fampakarana ny saran-dalana tao amin’ny fihaonana fa manana vina ny hampakatra sarany TAXIS VILLE eto Antsohihy ho 1500Ar izahay ‚ izany hoe 50% raha 30% ny fampakarana saran-dalana noheritreretin’ireo tompon’andraikitra ; Hisy dinika hiarahana amin’ny kaominina momba izany. Matetika makatra ny vidin-tsolika eto amintsika saingy mitsinjo hatrany ny mpanjifa izahay ary efa 20 taona mahery izay no 1000Ar hatrany ny saran-dalana teto amintsika ka miangavy atsika mpanjifa mba hitsinjo anay ihany koa fa mafy izy ity ‚ hoy ZIZY ‚ Filohan’ny sendika TAXI VILLE Antsohihy.

Tsy nahafa-po ny fihaonana ‚ tsy mbola nisy hevitra tapaka ‚ mampalahelo ny ataony fitondram-panjakana ‚ tsy nisy fampiomanana ary tampoka ny fampakarana ny vidin-tsolika ary nohekena fa rehefa izahay mba mampakatra nenay ‚ mimenomena ny rehetra kanefa tsy sitraponay io ‚ izahay koa aza sahirana ‚ hoy ireo mpamily misehatra amin’ny fitateram-bahoaka nimenomena sady malahelo mafy amin’ny zavatra aton’ny fitondram-panjakana . Mahatsapa izy ireo fa voatsindritsindry eo amin’ny sehatry ny asa.

Nampanahirana ary miteraka krizy sy resa-be ihany iny fampakarana tampoka ny vidin-tsolika iny ary miafara anaty vilany sy kapoakan’ny tsirairay izany ‚ tsapa fa vitsy ireo tonga namaly ny antso tamin’ity fotoana omaly 12 Jolay 2022 ity fa arahintsika eto ihany ny tohiny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-