a
FandraisanaVaovaom-paritraMr AFIDOU : TSY NORARAHIAN’NY MPAMILY REHEFA NARATRA VOKATRY NY LOZAM-PIARAKODIA TAO AMIN’NY BASE VIE ‚ LALAM-PIRENENA FAHA-06

Mr AFIDOU : TSY NORARAHIAN’NY MPAMILY REHEFA NARATRA VOKATRY NY LOZAM-PIARAKODIA TAO AMIN’NY BASE VIE ‚ LALAM-PIRENENA FAHA-06

Mr AFIDOU : TSY NORARAHIAN’NY MPAMILY REHEFA NARATRA VOKATRY NY LOZAM-PIARAKODIA TAO AMIN’NY BASE VIE ‚ LALAM-PIRENENA FAHA-06

Tokony ho tamin’ny 05 Ora ariva teo no niala ny tanànan’i Antsohihy ‚ ho any Befotaka avaratra ny fiara fitateram-bahoaka iray miasa amin’iny zotra ity . Nahatsikaritra zavatra hafahafa anefa ireo mpandeha niaraka tamin’ity fiara MAZDA menamena manao zotra Befotaka avaratra – Antsohihy ity.

Mamo ilay sofera ary efa nandoa tao anaty fiara teny an-dalana saingy tsy afaka niala izahay satria efa lasany ny vola sady efa maizina ny andro . Tonga soamantsara tao Anjialava izahay efa tamin’ny 09 Ora alina ‚ nisy fiara hafa simba teo ka nampidirina niaraka taminay ny olona tao amin’ilay fiara simba io ‚ noraisiny ny volan’ireo mpandeha ary lasa izy nisotro toaka aveo ‚ izahay kosa niandry azy efa ho adiny iray tao anaty fiara . Nony tonga avy izy nanohy ny dia izahay ‚ nandeha mafy be izy ‚ niezaka niteny azy aho fa tsy norarahiny . Efa amin’ny lalana mahitsy ‚ miala kelin’ny “Base vie” taloha amin’iny lalam-pirenena faha-06 iny no niala lalana ny fiara nitondra ka dia nianjera ‚ hoy Mr AFIDOU nitantara ny zavatra niainany tamin’iny sabotsy 07 Janoary 2023 iny.

 Naratra mafy vokatry ny loza Mr AFIDOU sy ireo mpandeha namany ‚ nohentina namonjy toeram-pitsaboana haingana tao Ambodimadiro ‚ tapaka ny tànany raha ny fanazavany ka voatery nohentina notsaboina taty Antsohihy izy.

Taorian’io tsy mba nisy fandraisana an-tànana ny fitsaboana na mba fijerena anay nataon’ilay mpamily ‚ ireo fianakaviany moa ny hanala ilay fiara haingana mba tsy hohitan’ny mpitandro filaminana no nahamaika azy ‚ raha ny fanazavana hatrany.
Mbola manaraka fitsaboana moa Mr AFIDOU amin’izao ary tsy mbola nametraka fitarainana eny anivon’ny mpitandro filaminana na koa ny fitsarana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment