a
FandraisanaFialambolyMPIFANKATIA ROA NANAO FIRAISANA ARA-NOFO AN-DAVAKA

MPIFANKATIA ROA NANAO FIRAISANA ARA-NOFO AN-DAVAKA

MPIFANKATIA ROA NANAO FIRAISANA ARA-NOFO AN-DAVAKA

Samy manao izay ampidi-bola aminy ireo tonga ao Sahantona ‚ toeram-pitrandrahana volamena ao amin’ny kaominina Andohajango Mandritsara . Misy ireo tena mitrandraka ‚ ao ireo mpivarotra sy mpividy volamena ary efa betsaka ihany koa ireo mpampanofa vatana tonga any mitady ravinahitra . Misedra olana anefa izy ireo ankehitriny satria olona efatra izao no voalaza fa raikitra ( rekiny ) teo ampanaovana firaisana ara-nofo ka tsy maintsy nifamonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana.

Ny roa voalohany ‚ mpampanofa vatana sy ny mpanjifany ary ny faharoa kosa olona roa samy efa manambady ‚ niaraka nankafy fitiavana tany an-davaka hanaovana ny fitrandrahana ka raikitra teo ampanaovana firaisana ara-nofo . Tsy sahy niantso vonjy ny alin’iny izy ireo fa niandry andro maraina vao mangiran-dratsy nitady vonjy sy vahaolana . Noho ny fahasarotana moa dia voatery nohentina aty Antsohihy ireto farany ho tsaboina araka ny loharanom-baovao.

Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny tena antony mahatonga ireo loza ( sababon-draha ) niseho tatoato tao Sahantona ‚ mananika any amin’ny 50 000 ny olona tonga any an-toerana ankehitriny ‚ ho taterina amintsika eto ihany ny fivoarany tranga ao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena.

SAHANTONA MANDRITSARA : MPIFANKATIA ROA NANAO FIRAISANA ARA-NOFO AN-DAVAKA▪️ RAIKITRA (REKINY) ‚ NIFAMONJENA TANY AMIN’NY TOERAM-PITSABOANA‼️

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment