a
FandraisanaPolitikaMPANJAKA TSARATSARA : NANGONIN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY NY BARIKA NY RANOMASONY VAHOAKA MALAGASY▪️HAHITA FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA RAHA MBOLA MILATSAKA EO NY FILOHA AMPERINASA SY HERY RAJAONARIMAMPIANINA ARY RAVALOMANANA

MPANJAKA TSARATSARA : NANGONIN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY NY BARIKA NY RANOMASONY VAHOAKA MALAGASY▪️HAHITA FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA RAHA MBOLA MILATSAKA EO NY FILOHA AMPERINASA SY HERY RAJAONARIMAMPIANINA ARY RAVALOMANANA

MPANJAKA TSARATSARA : NANGONIN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY NY BARIKA NY RANOMASONY VAHOAKA MALAGASY▪️HAHITA FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA RAHA MBOLA MILATSAKA EO NY FILOHA AMPERINASA SY HERY RAJAONARIMAMPIANINA ARY RAVALOMANANA

Efa mipaka any an-danitra ny fahorian’ny vahoaka Malagasy ‚ nangonin’Andriamanitra anaty barika ny ramasony ka efa ny barika aman-hetsiny . Miavaka ny barika any an-danitra izay mitovy amin’ny solima mpitondra gasoaly sy petrole ireny kanefa an-jatony sy an-drivony amin’ireo no hilatsaka amin’ny tafotranonao iray izay tsy mataho-tody ka hanody anao sy ny tarakao izay . Na 03 barika aza tsy zakanao na vato 100 kg latsaka avy any an-danitra aza tsy zakanao ‚ tsy zakanao ilay Loza ry vahoaka Malagasy . Androany aho hanambara fa hisy kapoka faratampony ataon’Andriamanitra amin’ity tanintsika ity satria tsy mifankatia isika ary mifanenjika any anaty Facebook ka tezitra Andriamanitra ‚ hoy ingahy Tsaratsara izay milaza ny tenany ho Mesia Mpanjaka sady hiraka Andriamanitra hitondra teniny hoan’ny vahoaka Malagasy.

 STOP tsy azo atao ny fifidianana amin’ity taona ity hoy Andriamanitra tamiko fa ataovy aloha fikaonan-doham-pirenena ka angalao solotena isam-poko hanao azy . Tsy mahazo milatsaka ho fidina ny filoha amperinasa sy Hery Rajaonarimampianina ary Ravalomanana fa raha tsy izany ataoko mahita ahy hoy ny tompo . Ampitao izay na hino izy na tsy hino ‚ hoy hatrany izy nanambara fa malahelo ny fon’Andriamanitra amin’ny fizarana tee-shirt sy fizarana vary izay atao takalom-bato amin’ny fifidianana . Manaja anareo mpitondra aho ka mba hajao ihany koa .

Nanamafy io teniny io moa ny mpanaradia azy ‚ izay nilaza fa ho faizin’Andriamanitra toy tamin’ny androny farao tany Egipta ny mpitondra ankehitriny ‚ arakaraka nitenenany Mosesy no nampahory ny vahoakan’israel tamin’izany fotoana fa ankehitriny arakaraka ny hitenenany Tsaratsara no mampijaly sy mampitombo fahoriany vahoaka Malagasy ataony mpitondra ka mino izahay fa Mesia mpamonjy marina i Tsaratsara . Ho avy ny loza izay hanjohy ny mpitondra ‚ hoy ireo mpanaradia azy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment