MPANGAROM-PAOSY ANATY TAXI-BE : TRA-TEHAKA TAO AMBOHIMANARINA IZY ROALAHY
Efa za-dratsy ireo tanora sasany ao Antananarivo amin’ny fanendahana sy harom-paosy any an-tsena sy anaty Bus ka tratehaky ny Polisy tao Ambohimanarina ireto farany androany.
Mpandeha taxi-be 114 iray no nidina vao nahita Polisy ka nilaza fa very tao anatin’io fitateram-bahoaka io ny findainy . Najanon’ny Polisy avy hatrany ilay taxi-be ary niroso tamin’ny fisavana ny Polisy. Hita tao amin’izy roa lahy ireto ny findain’ilay ramatoa ary avy dia niroso tamin’ny fisamborana azy ireo.
Fantatra fa efa mpangarom-paosy ao anaty fitateram-bahoaka izy roalahy ireto ary bus 114 sy 194 no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Mbola tratra teny amin’izy ireo ihany koa ny fitaovana fitsindromana zava-mahadomelina niaraka tamina potika rongony.