MPANDRAHARAHAN’NY FONJA MIISA 03 NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA NOHO NY HALATRA BASY 03 SY BALA 59 TAO AMIN’NY FONJAN’I VAVATENINA‼️
Nokasaina hanaovana fanafihina mitam-basy ‚ hampihorohoroana ny vahoaka Malagasy ireto basy sy bala very tao amin’ny fonjan’ny vavatenina ireto raha ny fanazavana . Mpandraharaha ny fonja miisa 03 ary olona efa voafonja miisa telo no voarohirohy sy nahiditra am-ponja vonjimaika momba ity raharaha ity raha niakatra fitsarana omaly 04 April 2023 . Ny 28 Martsa 2023 teo no nisy namaky ny toerana saro-pady izay misy ny fitaovam-piadiana ( basy sy bala ).
Marihina fa fonja hafa fa tsy ao vavatenina no nampidirana azy ireo raha ny fampitam-baovao voaray.