MOHAMED RAFIK SY NY ZANANY LAHY : NAHIDITRA AM-PONJA VONJY MAIKA NOHO NY FANDAVANA DIDIM-PITSARANA MOMBA NY ADI-TANY TAO AMBALABE EST ANTSOHIHY
Ny ariva teo no fantatra fa nahiditra am-ponja vonjy eto Antsohihy i Mohamed Rafik sy ny zanany lahy . Ny fandavana ny didim-pitsarana sy fanalam-baraka vadi-tany no voalaza ho antony nitazomana azy ireo ary i Amizaha Issouf sy ilay vadi-tany nanao fampiharana ny didim-pitsarana no voalaza ho tompony fitorohana ‚ raha ny loharanom-baovao.
Mbola misy olona roa izay naneho ny heviny nandritra ny fotoana nampiharana ny didim-pitsarana izay niteraka resa-be iny no voatory saingy nahazo fahafahana vonjy maika izy ireo ‚ mbola tsy fantatra sy tsy voafaritra mazava kosa ny fotoam-pitsarana.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.