a
FandraisanaVaovaom-paritraMOHAMED RAFIK : NANAIKY HIALA AMIN’NY TRANO REHEFA NAHIDITRA AM-PONJA

MOHAMED RAFIK : NANAIKY HIALA AMIN’NY TRANO REHEFA NAHIDITRA AM-PONJA

MOHAMED RAFIK : NANAIKY HIALA AMIN’NY TRANO REHEFA NAHIDITRA AM-PONJA

Tazana nivezivezy ‚ nitatitra entana ity fiara tsy mataho-dalana ity hatramin’ny maraina teo . Fantatra araka ny loharanom-baovao fa nisy andian’olona nifampiresaka tamin’ingahy Issouf AMIZAHA ‚ mba hisiany marimaritra hiraisana momba ity raharaha ity sy hisiany fitoniana eo amin’ny andaniny sy ankilany . Voalaza araka ny loharanom-baovao ihany koa fa nandefa taratasy i Mohamed Rafik ‚ maniraka ireo olona ao an-trano hitaona entana sy hiala ao ?

Hatreto mbola any am-ponja i Mohamed Rafik sy ny zanany ‚ miely ny feo voalaza ho nataony Amizaha fa tsy ho hisy mihitsy ny marimaritra iraisana raha tsy manaiky miala ao amin’ny trano araka ny didim-pitsarana izy ireo . Midika ve izany fa nanaiky hiala amin’ny trano i Mohamed Rafik sy ny zanany ‚ izao tazana taterin’olona amin’ny Fiara izao ny entany ? Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment