a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaMISS & MISTER MADAGASCAR : TRIDY SY BRIAND NO MISOLONTENA NY FARITRA SOFIA

MISS & MISTER MADAGASCAR : TRIDY SY BRIAND NO MISOLONTENA NY FARITRA SOFIA

MISS & MISTER MADAGASCAR : TRIDY SY BRIAND NO MISOLONTENA NY FARITRA SOFIA

Efa samy any Antananarivo izy roa mianadahy amin’izao ‚ hiatrika ny fifaninana izay hanomboka ny alahady 18 septambra 2022 fiakarana voalohany (quart de final ) , alahady 25 septambra 2022 ny dingana manasa-dalana ( demi-finale ) ary alahady 02 Oktobra 2022 ny dingana farany sy famaranana ( finale ).

Vonona amin’ny fiatrehana ireo fifaninana mifandimby ireo izahay roa mianadahy ary hanao ezaka rehetra mba ho rehareha sy voninahitry ny faritra Sofia ‚ hoy izy ireo niantso ny vahoaka Malagasy rehetra hanohana azy fa indrindra ny zanaky ny faritra Sofia.

Tovolahy teraka ny 04 Martsa 1997 teto Antsohihy ‚ monina sy mipetraka Port Bergé i BEARIVONY Briand ‚ mirefy 1‚78m ny lehilahy . Ny hitondra voninahitry ny faritra Sofia ary ho mpanao dokam-barotra amin’ny fahitalavitra na petadrindrina no faniriany sy nandrisika azy hanao « MISTER ».

Tovovavy 24 taona avy eto Antsohihy kosa i MANAFY DANGY Tridy Elbertia ‚ mirefy 1‚78m . Ny hitondra sy hanandratra avo ny kolontsaina sy fomba amam-panao misy aty amin’ny faritra Sofia ary hamafa sy hanazava ny sain’olona momba ny resaka iniana dosoina sy handotoana ny vehivavy Tsimehety ( VALIZY MENA ) no anisany nandrisika azy handray anjara amin’ny fifaninana ary indrindra hanambara amin’izao tontolo izao fa misy tanora vavy mendrika ( belle ‚ intelligente ‚ respectable … ) eto Madagasikara.

Contact : 032 64 910 76 – 034 51 218 40 io no azahoana azy raha misy tehanampy sy hitondra soso-kevitra ho azy roa mianadahy fa misokatra hoan’ny rehetra ny fiarahamiasa.
🥰❣️ Mirary soa azy roa isika 💯🇲🇬
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment