a
FandraisanaNon classéMINISITRA TOKELY JUSTIN : MIJERY IZAY HANATSARANA NY FIAINAM-BAHOAKA ATY AMIN’NY FARITRA SOFIA ‼️

MINISITRA TOKELY JUSTIN : MIJERY IZAY HANATSARANA NY FIAINAM-BAHOAKA ATY AMIN’NY FARITRA SOFIA ‼️

MINISITRA TOKELY JUSTIN : MIJERY IZAY HANATSARANA NY FIAINAM-BAHOAKA ATY AMIN’NY FARITRA SOFIA ‼️

Tonga teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia‚ nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra ifotony aveo nanohy ny dia tany Befandriana avaratra ny Ministra Tokely Justin androany talata 23 Mey 2023.

Fiatrehana ny fanombohan’ny hetsika herinandron’ny Karatany, fijerena ny sehatra hanatsarana ny fiainam-bahoaka ety ifotony no voalaza ho votoatin’ny fitsidihana nataony.

Hamafisina hatrany ny maha zava-dehibe ny fidinana ifotony tahaka izao, araky ny toromarika napetraky ny Filoham-pirenena hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ho an’ny mpikambana amin’ny Governemanta, satria ahitana ny tena olana sedrain’ny vahoaka sy itadiavana ny vahaolana mifandraika amin’izany‚ hoy hatrany ny fanazavana.

Tazana niaraka tamin’ny Minisitry ny Ati-tany sy fitsinjaram-pahefana ity ny DGPP Augustin Andriamananoro‚ ny Tale Jeneralin’ny fananantany sy fandrefesan-tany‚ ny Governoran’ny faritra Sofia ary ireo Solombavambahoaka maro.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment