a
FandraisanaPolitikaMINISITRA TINOKA ROBERTO : HANAO VELOMA NY SEZANY

MINISITRA TINOKA ROBERTO : HANAO VELOMA NY SEZANY

MINISITRA TINOKA ROBERTO : HANAO VELOMA NY SEZANY

Ny fotoana hanaovana famidram-pahefana sisa andrasana dia manao veloma ny sezany ao amin’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena i Tinoka Roberto . Intelo voatendry ho Minisitra i Tinoka nandritra ny fitondrana Rajoelina . Voalohany Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena aveo nafindra tao amin’ny ministeran’ny fitaterana ‚ noesorina indray rehefa nalaza ilay resaka valizy misy kodiarana ary naverina nitantana ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena indray aveo.

Ny fanatanjahantena no tena nahitana ny hetsika sy fihetsiketsehan’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena izay notarihiny Tinoka Roberto nandritra fitondrany ‚ raha somary latsa-danja ny resaka fampandrosoana ny momba ny Tanora Malagasy ary nahatsapa mihitsy ny sasany fa ankilabao ny resaka tanora.

Minisitra vaovao izao no hitantana ity minisitera nialany ity ka ho hita eo indray ny fampandrosoana ho entiny momba ny Tanora sy ny fanatanjahantena . Marihina fa Solombavambahoakan’i Madagasikara i Tinoka Roberto.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment