MINISITRA SOAFILIRA : MISY TEHAMONGOTRA MAFY EO AMIN’NY TOERANY▪️MISY TEHANJAKA TOKANA
Taoriany fipohan-draharaha maloto nahavoatonontonona an’ny Minisitry ny mponina dia tsy mbola nandrenesam-peo izy hatreto fa nangataka ny hamoahana porofo momba izany kosa ny talen’ny kabinetrany ‚ raha mitaky ny hanaovana fanadihadiana lalina hoan’ireo voasaringotra anaty afera kosa ny mpanara-baovao.
Tsikaritra fa misy ambadika politika avolenta izao raharaha izao ary misy tehamotika ny Minisitry ny mponina ‚ SOAFILIRA Princia . Tsy hita izay hanaovana azy sy andotoana azy mba afahana manala azy ka izao izy ampidirina degany anaty raharaha izay tsy fantany akory ‚ hoy ireo olona naneho ny heviny momba ny tranga.
Misy tehanjaka tokana eto ka mamotika sy manao hevitra rehetra hanimbana ny tanindrana izay miezaka sy miady tombontsoan’ny faritra ? Tiana ho andevozina sy tsy omena toerana amin’ny fitantanan-draharam-panjakana mihitsy ny tanindrana raha ny faniriany sasany izay mody mitsikitsiky sy miatsaravelatsihy raha manao ny fitetezam-paritra mba hanafenana ny ketrika maloto sy fikasan-dratsy amin’ny hanandevozana ny tanindrana
Tsy azo ekena izany ary tsy ho ekena mihitsy na hisy rà mandriaka aza eto Madagasikara ! Rehefa iza moa izany manao hadalana na manao tandrevaka ‚ mangala baraka fitondrana fa indrindra mangalatra ny harem-pirenena dia jerena fotsiny sy tsy sahy kitihina satria zanaka an-tranon’ny mpitondra
Aza mifandrebireby fa ny tanindrana ary harena avy aty amin’ny faritra no mampihodina sy mampiadana anareo toy izao ary mampivoatra ny renivohitra raha ampitahaina amin’ny faritany . 90% Volam-bahoaka dia mihodina ao an-drenivohitra fa 10% kely no mba aparitaka amin’ny faritra‚ rariny ve izany
volamena nivadika vy tsotra izao
Ataovy izay hilaminana fa tsy adala ny tanindrana‚ hoy ny fanehoan-kevitra hetitra nataon’olom-pirenena manaraka akaiky ny toe-draharaha . Arahintsika ny mety ho tohiny.
![⁉️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tec/1/16/2049.png)
![⁉️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tec/1/16/2049.png)
![⁉️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tec/1/16/2049.png)
![⁉️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tec/1/16/2049.png)
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.