MINISITRA FIDINIAVO RAVOKATRA : TSY MISY IDIRAKO FA FANENDRIKENDREHANA NY FILAZANA NY ANARAKO AMIN’NY RESAKA FANONDRANANA VOLAMENA ANTSOKOSOKO
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny minisitra Fidiniavo Ravokatra izay voatonontona ary voatondro ho anisan’ny tompon’ireo volamena tratehaka teny Ivato .
Misy Cybercriminalité eto Madagasikara ‚ Compte fake maneho hevitra misandoka ny anarako, manohintohina ny zo fototra ananako, ka azoko atao tsara ny manenjka azy ireny.
Efa mipetraka ny rafitra rehetra mikasika ny fanadihadiana sy ny famotorana, ary aoka ireny rafitra ireny no hanadihady sy hamoaka ny marina. Ary raha misy fitoriana na fitarainana ka ampanantsoina ny tenako dia vonona hitondra fanazavana.
Ny raharaha volamena rehetra nifanesisesy teo, nanononana ny anarako dia tsy misy hidirako fa ny zavatra tsikaritra ‚ ny famoahana vaovao tsy mari-pototra tahaka ireny , dia famotehana ny olona iray izay tiana hosimbaina ny fiainany sy ny ankohonany, fa eo ihany koa ny fambolena ny toetsaina hankahalana ny fitondram-panjakana.