MAROMADIA : TRANO 107 TAFO RAVANY AFO TAO ANATY ADINY ROA ( 2H ) MONJA TAO LABANDY▪️ NITONDRA FANAMPIANA NY MINISITRA SOAFILIRA
Tsy nisy azo noraisina tamin’ireo trano sy toerana rehetra nandalovany afo niredareda tao amin’ny fokontany Labandy ‚ kaominina Maromadia Distrikan’i Analalava ny zoma 14 Oktobra 2022 teo . Traboina ny vahoaka an-jatony maro ‚ very fananana nohariana ampolo taonany maro.
Tsy tazam-potsiny manoloana izany ny Ministra Soafilira Princia ‚ fa nandefa hiraka avy hatrany nanatitra vary 20 gony ‚ voamaina ‚ Bodo firakotra ary fitaovana maro isan-karazany ho vonjy rano vaky . Nanentana ny rehetra samy hitandrina manoloana ny fampiasana afo ny lehiben’ny Distrika ao Analalava sy ny talem-paritry ny mponina ato amin’ny faritra Sofia izay nidina ifotony ‚ nanatitra ireo fanomezana avy tamin-dRamatoa Minisitra.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.