a
FandraisanaPolitikaMARC RAVALOMANANA : MIVADIKA NY LOHAN’NY MPITANDRO FILAMINANA REHEFA MAHAZO TOMBONTSOANY MANOKANA

MARC RAVALOMANANA : MIVADIKA NY LOHAN’NY MPITANDRO FILAMINANA REHEFA MAHAZO TOMBONTSOANY MANOKANA

MARC RAVALOMANANA : MIVADIKA NY LOHAN’NY MPITANDRO FILAMINANA REHEFA MAHAZO TOMBONTSOANY MANOKANA

Mitovitovy endrika tamin’ny zavatra niseho nataony fitondrana taona 2002 ny zava-misy ankehitriny fa aza matahotra ianareo fa i Dada rehefa hanao dia hanao tokoa fa aza mihemotra ianareo ‚ midira ao anaty lisim-pifidianana fa io ihany afahantsika manova sy mitondra fampandrosoana hoan’ny firenena ‚ raha tsy ao anaty lisitra isika dia tsy afaka mifidy izay olona tokony hitondra atsika ‚ tsy afaka maneho hevitra ‚ tsy afaka mitsikera fa tsangan’olona fotsiny ‚ hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ‚ nilaza fa tsy maintsy manao asany ny satana sy ilay ratsy amin’ny fanakorontanana ‚ tao Itaosy ny sabotsy 18 Martsa 2023 teo.

Betsaka ny paikady apetrantsika ‚ Lehibe faratampony foloalindahy aho taloha ka mahalala tsara ireo mpitandro filaminana ireo fa raha misy iray fotsiny mahazo baiko sy mahazo tombontsoa dia mivadika ireo ka aza matahotra fa minoa fotsiny ihany ‚ hoy hatrany izy nilaza fa mahazo tombontsoa manokana ‚ ankoatrany karamany ireo mpitandro filaminana midina an-tsehatra amin’ny fandravana sy fampihorohoroana ny vahoaka manaraka ny filohan’ny antoko TIM – Marc Ravalomanana.
 Ity farany moa niantso fitoniana mialoha sy mandritra ary aoriany fifidianana ho avy.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment