MANJAKA NY VARO-MAIZINA AO PORT BERGÉ : AMIDIN’IREO MPANAO VARO-MAIZINA 7000Ar NY SOLIKA ( ESSENCE ) IRAY LITATRA▪️ MIANTSO VONJY AMIN’NY MPITONDRA NY MPANJIFA
Herinandro na roa herinandro aorian’ny fandalovany “citerne” manatitra solika ao amin’ny “Station GALANA” ao Port Bergé ihany raha ela indrindra ny fisian’ny solika ( essence ) ao amin’ny “station” raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana dia manjavona izany ary tsy misy raha tsy amin’ireo mpanao varo-maizina.
Misesisesy aorian’io fe-potoana voalaza io ‚ manatona eny amin’ny toby mpanjijara solika voalaza etsy ambony ity ireo mpanao varo-maizina ‚ hany ka vetivety dia lany ny ao amin’ny toby ary tratran’ny krizy ‚ tsy mahita solika ampiasaina ireo mpamily Bajaj na koa ireo mpanjifa solika ao an-toerana . Rehefa mitranga io krizy io dia mamoaka amin’izay ireo mpanao varo-maizina ka mivarotra 7000Ar/litre raha 5900Ar akana azy eo amin’ny toby.
Tsy lavitra ny toby voalaza etsy ambony no misy izany tranga izany ary efa mateti-pitranga sy miverim-berina fa jerim-potsiny ‚ tsy mbola nisy fanapahan-kevitra matotra noraisin’ny mpitondra momba izany ‚ hoy hatrany ny fanazavana voaray . Miahiahy ireo mpanjifa solika ao an-toerana fa misy fiarahamiasa matotra amin’ireto olona mpanao varo-maizina ireto sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’io toby mpanjijara solika ao an-toerana io ‚ ary misy kopaka isasahana matoa izao lasa fitadiavam-bola mahazatra ( velon-tena ) mihitsy.