a
FandraisanaSportMANJAKA NY MIZANA TSINDRIAN’ILA ETO MADAGASIKARA

MANJAKA NY MIZANA TSINDRIAN’ILA ETO MADAGASIKARA

MANJAKA NY MIZANA TSINDRIAN’ILA ETO MADAGASIKARA

Anisan’ny faritra manankarena voajanahary maro ( Volamena ‚ vatosoa ‚ Gaz ‚ pétrole ‚ Harena an-dranomasina maro … ) ny faritra Melaky sy ireo faritra maro eto Madagasikara kanefa vola 02 Miliara Ariary isan-taona ‚ izay tsy mahampy akory no omena ny faritra . Fokontany ihany no sahaza io vola kely io fa tsy ahafahana mampandroso ny faritra . Avereno ny « Budget Provinciale » tahaka ny efa nisy tamin’ny Repoblika voalohany raha tehampandroso an’i Madagasikara.

Tsy rariny ny fampidirana am-ponja an’i Ninie Donia ‚ resaka ady tany izay ady madio ve ampidirana am-ponja olona ? Raha ny resaka miely dia olona ao anaty fitondrana no miady tany amin’i Ninie Donia izay Zafiny fotsy . Efa akaiky ny fifidianana ny filoham-pirenena ‚ mitady hirika hampanginana ny mpanohitra ny fitondrana kanefa betsaka ireo olona manao zavatra tsy eto amin’ny firenena kanefa jerem-potsiny ‚ ohatra amin’izany ny Ben’ny tanànan’ Antananarivo izay voasaringotra amin’ny raharahan’ny CNaPS ‚ ny DG CNaPS izay nahiditra am-ponja vonjimaika kanefa ny ministra mihitsy no nanao fikafika nahafahana namoaka azy sy ireo tranga ataon’ny mpitondra maro izay tsy lazaina intsony eto Madagasikara . Fikambanana mijoro tsara ara-dalàna ve dia lazainao fa fikambanan-jiolahy ? AMPITOVIO NY GASY E‼️ hoy ny fanehoan-kevitry nataon’i Afakandro Christian ‚ filohan’ny fikambanana HRT ao Mahajanga ‚ momba ny zava-misy eto Madagasikara.

Raha fintinina izay voalazany dia tompony mangataka atiny ara-toekarena ny faritra sy ny faritany eto Madagasikara ‚ tsy mitondra fampandrosoana anefa izany raha tsy miova ny rafitra ka ireo solombavambahoaka no antenaina hitaky izany kanefa mifanohitra amin’izany ny zava-misy ankehitriny ‚ ireo solombavambahoaka indray no mitalaho mafy mangataka ‚ izay izy ihany no mandany ny lalàna momba ny teti-bola . Ankoatrizay dia ho tapitra hiditra am-ponja avokoa ireo mijoro maneho hevitra sy mitaky ny tsy rariny aty amin’ny faritra ‚ raha mitazam-potsiny ‚ tsy mandray fepetra manoloana izany ny zanaky faritra.arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.

AFAKANDRO CHRISTIAN : MANJAKA NY MIZANA TSINDRIAN’ILA ETO MADAGASIKARA

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment