a
FandraisanaVaovaom-paritraMANDRITSARA : MIROSO AMIN’NY FAMAHANA OLÀNA NY FITONDRAM-PANJAKANA ‼️

MANDRITSARA : MIROSO AMIN’NY FAMAHANA OLÀNA NY FITONDRAM-PANJAKANA ‼️

MANDRITSARA : MIROSO AMIN’NY FAMAHANA OLÀNA NY FITONDRAM-PANJAKANA ‼️

Tao Mandritsara no namaranan’ireo delegasionina notarihin’ny Minisitra Tokely Justin sy ireo Tale Jeneraly avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika‚ avy eo anivon’ny ministera ary ireo solotenam-panjakana ifotony izay notarihiny Governoran’ny faritra Sofia sy ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ka nontronon’ireo Solombavambahoaka‚ Ben’ny tanàna maro.

Noresahin’ireto nilaza fa hiraka nalefan’ny filoham-pirenena ireto fa miroso amin’ny famahana olàna mampanahirana ny vahoaka ny fitondram-panjakana‚ tafiditra anatin’izany ny vahoaka ato amin’ny faritra Sofia fa indrindra ny ao amin’ny Distrikan’i Mandritsara. Voaresaka momba ny famatsian-drano fisotro madio izay mampitaraina ny maro‚ ny famitana ireo fotodrafitrasa nampanantenain’ny filoha sy ireo efa mandeha‚ amin’ny maha herinandro ny kara-tany ny hetsika natao tany an-toerana dia kara-tany analiny no kasaina ho zaraina ato amin’ny faritra ho famahana olàna momba ny ady tany sy afahany vahoaka misitraka ny zo-ny amin’ny fananantany. Ankoatrizay dia notolorana Jiro “Cobra” miisa 50 ny kaominina ambonivohitry Mandritsara‚ mba hanazavana ny tanàna. Fitsidiham-paritra tahaka izao dia natao handraisana ireo fitarainan’ny vahoaka afahana mitondra izany ao amin’ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta mba hamahana azy‚ hoy ny Minisitra Tokely Justin.

Tonga maro nanontrona ny fotoana ny vahoaka izay notarihin’ireo Ray aman-dReny Sojabe sy ireo manampahefana ao an-tanàna.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment