a
FandraisanaVaovaom-paritraMANDRITSARA : MANJAKA NY VARO-MAIZINA AMIN’NY SOLIKA⁉️

MANDRITSARA : MANJAKA NY VARO-MAIZINA AMIN’NY SOLIKA⁉️

MANDRITSARA : MANJAKA NY VARO-MAIZINA AMIN’NY SOLIKA⁉️

Ity barika be ity no hakan’ireo mpivarotra solika amin’ny sisiny ‚ ny lasantsy eo amin’ny STATION iray ao Mandritsara . 6500Ar no hivarotan’izy ireo ny litatry ny lasantsy ‚ raha 6100Ar ny vidiny hividianana azy eo amin’ny STATION voalaza etsy ambony.

Iray na roa andro ihany raha ela indrindra ny faharetany dia foana tanteraka ny lasantsy eo amin’ny “station” ‚ misy aza tonga maraina ‚ efa tsy misy intsony ariva ka velontaraina ireo mpamily BAJAJ manao Taxi-ville ao Mandritsara.

Ny “versement” tsy maintsy enjehina nefa solika ity manao ny ataony amin’ny halafosany ‚ ny saram-pitaterana anefa ambany dia ambany ‚ hoy hatrany ireo mpamily BAJAJ . Voalazan’ny Loharanom-baovao fa efa misy fiarahamiasa manokana eo amin’ny “pompiste” sy ireo mpanao varo-maizina ao an-toerana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment