a
FandraisanaVaovaom-paritraMAÎTRE NICODÈME : MIANTSO NY MPINO LOTERANA AO AMIN’NY FLM ANTSOHIHY‚ HIFAMPIRESAKA SY HIFANDAMINA ARY HIFANKATIA‼️

MAÎTRE NICODÈME : MIANTSO NY MPINO LOTERANA AO AMIN’NY FLM ANTSOHIHY‚ HIFAMPIRESAKA SY HIFANDAMINA ARY HIFANKATIA‼️

MAÎTRE NICODÈME : MIANTSO NY MPINO LOTERANA AO AMIN’NY FLM ANTSOHIHY‚ HIFAMPIRESAKA SY HIFANDAMINA ARY HIFANKATIA‼️

Kristianina Katolika aho fa amin’ny maha mpitarika tanora FFKM eto Port Bergé ny tenako dia malahelo aho manoloana ny toe-draharaha misy‚ tsy afaka hanome rariny na handiso ny andaniny sy ny ankilany satria tsy mahafantatra ny tena zava-misy marina momba ny raharaha ka amin’ny maha mpirahavavy atsika dia hampita hafatra aminareo Ray aman-dReny‚ ndeha hifampiresaka any ampiangonana fa isika no modely ao anaty fiarahamonina ka tsy tokony hampianatra olona hikomy. Atsika izay mampianatra olona hifankatia indray ve hifanasa vangy an-tambazotran-tserasera ? Atsika tokony hampianatra sy hitarika olona hifankatia indray ve no hisara-bazana ? Milelapaladianareo aho‚ ndeha hifampiresaka ampirahalahiana anaty fiangonana ho voninahitr’Andriamanitra fa sary ratsy hoan’ny fiangonana renintsika ny miady an-trano. Ndeha hifampitondra am-bavaka mba hivahan’izao olana izao faran’izay malaky‚ hoy Maître Nicodème‚ tanora mpitarika FFKM ao Port Bergé naneho ny heviny.

Raha ny vaovao voarainay hatreto dia toa efa manomboka mikorontana sy miady an-trano sahady ireo voalaza ho mpikomy amin’izao fa misy resa-bola tsy mampifanaraka azy. Mandeha ihany koa ny raharaha momba ny fanimbana entan’ireo mpanofa trano izay simba natsipitsipin’ilay vadin’ny filoham-piangonana mpitarika fikomiana araka ny efa notaterantsika azy teto. Milaza ireo mpino sasany fa misy Tovolahy iray izay anisany ati-doha sy tompon’ny ketrika amin’ny fanoganana mpitandrina ao amin’ny FLM Anjiabe Antsohihy ao‚ misengisengy fa sakaizan’ny dokotera manan-kavana mahitahita sady toa manam-boninahitra Jeneraly mihitsy araka ny loharanom-baovao ary milaza ho mahafantatra olona ambony koa izy ireo ka tsy misy azo atao azy sy ny ekipany. Ireo olona ambony fantan’ilay mpiasan’ny fahasalamana‚ ireo havany begalona ireo no voalaza fa ireharehan’ilay Tovolahy ary hoentiny mpampihorohoro ireo mpino? afaka manao “intervention” momba ny raharaha efa mandeha any amin’ny polisy hono ilay Jeneraly io raha ny fandemen-tsaina sy werawera nataony amin’ireo mpino kristianina.

Misamboaravoara araka izany ny toedraharaha. Miezaka mandamina ny OMC (organe mixte de conception) izay miantso fitoniana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izao.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment