a
FandraisanaVaovaom-paritraMAIRE NASIRY ALI : MIROSO AMIN’NY FANAMBOARAN-DALANA AO ANJIABE NY KAOMININA‼️

MAIRE NASIRY ALI : MIROSO AMIN’NY FANAMBOARAN-DALANA AO ANJIABE NY KAOMININA‼️

MAIRE NASIRY ALI : MIROSO AMIN’NY FANAMBOARAN-DALANA AO ANJIABE NY KAOMININA‼️

Raha ny faniriako dia hatao “goudron” ny lalana rehetra amin’ny fokontany noho ny fitiavako ity tanànantsika‚ saingy tsy mbola ampy anaovana izany ny enti-manana eto ampelatanana‚ na izany kosa tsy miraviravy tànana ny kaominina‚ ataontsika araka izay tratran-tsika ny fanamboran-dalana eto Antsohihy fa indrindra amin’ireo fokontany izay saro-dalana ka mampitaraina ny vahoaka‚ hoy ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali‚ raha nijery fanombohan’ny fanamboran-dalana tao Anjiabe fokontany Ambalabe Est – kaominina ambonivohitry Antsohihy omaly 02 Jona 2023.

Efa mandeha ny asa‚ rarahana ranon-tany izay misy vatovato kely ireny ity lalana ity aveo ampandalovana ilay fitaovana arifomba fanaboaran-dalana (compacteur) iny mba hifatratra tsara. Mampiavaka ity ranon-tany ity‚ izy miha mafy sy mifatratra rehefa antalovan’ny rano (tsy magôaidra)‚ ao ambaniny rahateo efa misy vatovato‚ araka ny fanazavana.

Tsy misy fokontany adino ary samy hisitraka fampandrosoana avokoa ny rehetra ho tamberin’andraikitra hoan’ny vahoaka ato amin’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy‚ hoy hatrany ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment