MAHERILANTO MANANDAFY : NAHIDITRA AM-PONJA VONJY MAIKA ‚ ANY ANTANIMORA
Teratany vahiny iray izay nolazainy fa mivarotra balan’ny basy amin’ireo daholo no nametraka fitarainana teny amin’ny “ Cybercriminalite ” tamin’ity herinandro ity . Niaiky sy nanamafy izay voalazainy tamin’ny tambazotran-tserasera io i MAHERILANTO Manandafy raha natao famotorana momba izany ka nahiditra am-ponja vonjy maika izy ny ariva teo raha ny fampitam-baovao voaray.
Andrasana ny fotoam-pitsarana sy ny mety fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra manoloana io zava-doza nolazainy io ‚ raha tena mitombina tokoa fa io teratany vahiny io sy ireo ekipa miaramiasa aminy no mivarotra sy mamatsy balan’ny basy amin’ireo dahalo dia tsy tokony hiandry ela amin’ny fandraisana fepetra hentitra sy haingana momba izany ny manampahefana fa tandindinon-doza ny fiarahamonina Malagasy . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.