a
FandraisanaVaovaom-paritraMAHANORO : NAHIDITRA AM-PONJA AO VATOMANDRY IREO OLONA MIVAROTRA TAOLAM-PATIN’NY RAZANY

MAHANORO : NAHIDITRA AM-PONJA AO VATOMANDRY IREO OLONA MIVAROTRA TAOLAM-PATIN’NY RAZANY

MAHANORO : NAHIDITRA AM-PONJA AO VATOMANDRY IREO OLONA MIVAROTRA TAOLAM-PATIN’NY RAZANY

 Nandre ireo tompom-pasana roa fa lafo vidy ny taolam-paty ary maha mpanambola ny fivarotana azy ka nitsiry ny heviny ‚ haka ireo taolan’ireo razany tany am-pasana ary hivarotra izany . Niraofin’izy ireo araka izany ny taolan-tava tany am-pasana mba ho amidy ‚ hoy ny fanazavana.

Tsy mbola mahafantatra olona mpandray izany anefa izy roa ireo ‚ naniraka olona roa hafa mba hitady mpividy sy hifandaminana ny vola be rehefa lasa ny entana.

Tratehaky ny polisy anefa ireto farany ‚ niaraka tamin’ireto taolam-paty amin’ny gony ireto ka nahiditra am-ponja vonjimaika tao Vatomandry ny 26 Janoary 2023 teo ‚ rehefa vita ny famotorana azy 04 teny amin’ny polisy ary nakarina fampanoavana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment