MAHAJANGA : MIANTSO TOLO-TÀNANA AMIN’NY FANADIOVANA NY KAOMININA AMBONIVOHITRA
Raha tsy misy fihovana dia rahampitso 23 Janoary 2023 amin’ny 08 Ora sy sasany maraina no atao fanadiovana sy fanesorana ireo vato nidesin-drano eo amin’ny Bord Mahajanga.
Manao antso avo ‚ tolo-tànana amin’ny vahoakan’i Mahajanga ‚ sampandraharaharam-panjakana ‚ Fikambanana sns araka izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina mba hiaraka hanadio sy hamerina ireo vato eny amoron-dranomasina ary hamerina ny hakaton’ny tanàna ao Mahajanga.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.