a
FandraisanaVaovaom-paritraMAHAJANGA : MARINA MITAVOZAVOZA – TSY MAHARESY LAINGA TSARA LAHATRA

MAHAJANGA : MARINA MITAVOZAVOZA – TSY MAHARESY LAINGA TSARA LAHATRA

MAHAJANGA : MARINA MITAVOZAVOZA – TSY MAHARESY LAINGA TSARA LAHATRA

Niparitaka an-tambazotrantserasera ny filazana fa manao kolikoly sy manao asan’ireo mpijirika ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Mahajanga ary ny ao amin’ny PAC Mahajanga . Voalaza ao anatin’ny « publication » miparitaka io fa mahazo vola hatramin’ny 20 Tapitrisa Ariary ( 100 millions fmg ) ireo tompon’andraikitra io amin’ny fanaovana kolikoly miaraka amin’ireo olona voafonja ka voatonontona tao anatin’izany ireo olona voasazy nandritra ny didim-pitsarana nivoaka momba ny raharaha nahavoasaringotra an’ingahy PRMP tao amin’ny Prefektiora Antsohihy taloha izay mbola mamita ny saziny ankehitriny ary ireo namany izay nahazo fahafahana taoriany didy navoakan’ny fitsarana mahefa.

Tsy mijanona fa manadihady mba hisitrahan’ny vahoaka ny vaovao marina izay zon’olom-pirenena ny mpanao gazety ‚ raha nahita ity tranga izay mahavoatonontonona ny rafi-pitsarana sy mahavoasaringotra ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ireo.

Ny fanadihadiana natao no nahafantarana sy nilazan’ireo olona volaza ao anaty « publication » fa ny fiarovan-tenany izay nohentin’ny mpisolovava azy no nahafahany tao am-ponja rehefa nandalo fitsarana fa tsy nanome vola be an-tapitrisany izay voareseka sy hanononana anaran’olona araka ny resaka miely ‚ ireto farany moa samy nahazo lamady ( sazy ara-bola ) sazy mihatra . Ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa mbola voatazona any am-ponja ary mamita ny saziny roa taona an-trano maizina ilay PRMP voaheloka noho ny fanaovana kolikoly amin’ny tsenam-baro-panjakana teo anivon’ny Prefektiora izay niasany taloha.

 Resaka tiana hatavy mba hanodotoana ny rafi-pitsarana ‚ hanararaotana ny resa-be momba ny fitsarana any Antananarivo araka izany ity naely ity fa tsy misy zavatra marina akory raha ny fanazavana voaray . Tsaho sy vaovao diso aparitaka mba hanalam-baraka olona ary indrindra hanodotoana ny rafi-pitsarana sy tompon’andraikitra ao anatiny mba azahoana tombontsoa manokana ?

Tranga toy izao no ilana ny « cybercriminalité » mba hanafaizana ireo mpanakorontana saim-bahoaka . Tokony samy hitandrina ihany koa ny olom-pirenena manoloana ny resaka miely an-tambazotrantserasera mba tsy ho voafitak’ireo mpanararaotra savorovoro misy ‚ ireo mpanao politika izay miezaka mametraka paik’ady hisiany fikorontanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena izao . Ankoatrizay dia tokony hisy ihany ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana momba ireo mpitsara sasany izay voatonontona amin’ny resaka kolikoly ary tokony handraisana fepetra hentitra raha voamarina sy mitombina ny fisian’ny tranga ‚ mba hisiany filaminana ary ny tany tan-dalàna.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment