a
FandraisanaVaovaom-paritraLOZAM-PIFAMOIVOZINA AN-DRANOMASINA ANTSOHIHY : TAFAKATRA 07 IREO NAMOY NY AINY▪️NANDEFA « VEDETTE RAPIDE » HIKAROHANA IREO OLONA MBOLA TSY HITA NY GOVERNORAN’NY FARITRA SOFIA

LOZAM-PIFAMOIVOZINA AN-DRANOMASINA ANTSOHIHY : TAFAKATRA 07 IREO NAMOY NY AINY▪️NANDEFA « VEDETTE RAPIDE » HIKAROHANA IREO OLONA MBOLA TSY HITA NY GOVERNORAN’NY FARITRA SOFIA

LOZAM-PIFAMOIVOZINA AN-DRANOMASINA ANTSOHIHY : TAFAKATRA 07 IREO NAMOY NY AINY▪️NANDEFA « VEDETTE RAPIDE » HIKAROHANA IREO OLONA MBOLA TSY HITA NY GOVERNORAN’NY FARITRA SOFIA

Tafakatra 07 ireo namoy ny ainy hatreto raha ny fanazavana nataon’ny Governoran’ny faritra Sofia izay nidina ifotony avy hatrany ary nandefa « vedette rapide » hikarohana ireo olona mbola tsy hita vokatry ny lozam-pifamoivozina an-dranomasina niseho tao Ampondrabe ny ariva teo.

Ankoatran’ity zazakely 08 taona izay avotra soamatsara noho ny fitaingenana gony feno saribao ity dia saika efa namonjy fodiany avokoa ireo olona avotra nandritra ny loza.

Ny fitondrana entana mavesatra sy olona maro sy fandehanan’ny Botry amin’ny andro alina no niteraka fifandonana ka namoizana ain’olona maro ity.

Miondrika ampanajana amin’ireo namoy ny ainy vokatry ny loza ny tenako ary Mankahery ny fianakaviana rehetra tra-boina . Hisy ny fepetra hetitra ho raisin’ny OMC ( Organe mixte de conception ) rahampitso momba ireo Botry mandeha antsokosoko ‚ hoy ny Jeneraly Lylyson René de Rolland . Tazana nanontrona teny ifotony ihany koa ny lehiben’ny prefektioran’Antsohihy.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment