LOZAM-PIARAMANIDINA TAO ANDILANATODY AMBATONDRAZAKA : MATY ILAY MPANAMORY
Androany tokony ho tamin’ny 08 ora sy 45 minitra no fantatra fa nianjera tao Andilanatoby Ambatondrazaka ity fiaramanidina nihainga avy tao Antananarivo nikasa ho any Mananara ity.
Fiaramanidina 5RAAR – PA28 an’ny kaompania Aéromarine izy io raha ny vaovao voaray.
Namoy ny ainy ny mpanamory izay teratany Malagasy . Ary izy irery ihany no tao anatin’ilay fiaramanidina nianjera.
Hatreto, tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ny loza. Eo am-panangonana ny fanampim-baovao ny minisiteran’ny fitaterana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.