LOZA AN-DRANOMASINA ANTSOHIHY : ZAZA 07 TAONA SY 04 TAONA MONJA NAMOY NY AINY
Mitohy ny famangiana sy fampaherezana ataon’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izay tarihiny Governoran’ny faritra Sofia sy ny lehiben’ny Prefektiora ary ireo lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.
Tafakatra 14 ireo namoy ny ainy efa hita faty hatreto ‚ tao Ambalakida akaikin’ny Biraon’ny Jirama ity fahavoazana novangina ity.
Ankizy vavy 07 taona sy 04 taona monja namoy ny ainy vokatry ny loza nitranga tany an-dranomasina Ampondrabe Antsohihy . Niady mafy hoan’ireo zanany roa ilay Reniny saingy tsy avotra izy roa kely . Mankahery ny fianakaviana manamanjo fa indrindra ny Renin’izy ireo ![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.