a
FandraisanaFampianaranaLAZA RAZAFIARISON : SOKAFY NY « POLYTECH » ENY VOTOVORONA

LAZA RAZAFIARISON : SOKAFY NY « POLYTECH » ENY VOTOVORONA

LAZA RAZAFIARISON : SOKAFY NY « POLYTECH » ENY VOTOVORONA

 Nakaton’ny tompon’andraikitra manampahefana ny Oniversite Politeknika Votovorona rehefa nafana ny hetsika fitakiana zo nataon’ny mpianatra teny ny 08 Martsa 2023 teo . Fanarenana sy fanatsarana ny toeram-ponenany ( Campus universitaire ) sy fanomezana vatsim-pianarana ary ireo zo maro samihafa no notakian’ireo mpianatra.

 Fanakatonana ny Oniversite Votovorona mandritra ny iray volana no valin-kafatra avy amin’ny tompon’andraikitra ‚ izay kianin’i LAZA RAZAFIARISON mafy izany . Mpianatra migrevy ‚ mitaky ny zo-ny ve hanakatonana sy hanasazina ny mpianatra mafy tahaka izao ? Tsy misy mpampianatra sahy miteny ve fa miteraka fatiantoka maro izao fanapahan-kevitra izao ? Sokafy ny Polytech Votovorona fa sahirana ny mpianatra ‚ ny provision iray volana efa voavidy ‚ saran-dalana hodiana mbola baraingo ‚ ny karaman’ireo mpampianatra sy ireo tompon’andraikitra anefa mitohy ihany.

Ratsy avokoa ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa eny anivon’ny Oniversitem-panjakana manerana an’i Madagasikara saingy tsy rarahian’ireo mpitondra izany satria tsy misy zanak’izy ireo ‚ mianatra sy miaritra jaly mafy eny ? Hoy ny olom-pirenena maneho ny heviny fa tsy mahavaha olàna fa variana miwerawera fotsiny ny fitondrana mijoro ankehitriny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment