a
FandraisanaVaovaom-paritraLANONAM-PITSARANA FANOMBOHANA TAOM-PIASANA 2023▪️TPI ANTSOHIHY

LANONAM-PITSARANA FANOMBOHANA TAOM-PIASANA 2023▪️TPI ANTSOHIHY

LANONAM-PITSARANA FANOMBOHANA TAOM-PIASANA 2023▪️TPI ANTSOHIHY

Nihoatran’ny tanjono noheritreretina ny vokatra azo ny taona 2022 ‚ navitrika ny mpiaramiasa na vitsy aza . 74,9% n’ireo voafonja vonjimaika tao amin’ny fonjaben’i Antsohihy sy tao Bealanana no voatsara ‚ tohizana amin’ity taona 2023 ity ny ambiny . 10 400 ny fanamby napetraka tamin’ny isan’olona omena kopia amin’ny fitsarana mitety vohitra fa mihoatran’izany no vita tato amin’ny Distrika Antsohihy sy Bealanana izay niarahana niasa tamin’ny ministeran’ny ati-tany sy fitsinjaram-pahefana ‚ 5000 hafa didy solon’ny kopia nahaterahana vita ankoatran’ireo ‚ hoy ny tatitra nataony Ramorasata Jessé ‚ Lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy . Tao amin’ny kaominina Ambodimadiro Distrika Antsohihy no nahitana izany hoe ‚ miditra miasa amin’ny 05 Ora maraina ary tsy miala eo raha tsy rahampitso amin’ny 05 Ora ariva ‚ hoy hatrany izy.

 Ankoatran’ireo ezaka natao ireo dia miisa 14 ireo mpijirika ( rabatteurs ) natao famotorana sy nahiditra am-ponja ary misazy hatramin’ny 02 taona an-trano maizina . Mitohy ny asa fanadiovana ny fitsarana mba hiverenany hasiny sy fahatokisany vahoaka azy.

Ny mpitsara no filohan’ny SRMV ka tsy azo ekena ny mety fikasana hanakorontana na fanakorontanana ny fifidianana ary atao izay isian’ny mangarahara sy fifidianana madio . Tsy manao politika ny fitsarana fa mandray fepetra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna ary hentitra ‚ hoy ny Filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy – Mamy Nirina Razafindrakoto ‚ nampahatsiahy fa ambany lalàna ny olon-drehetra ary mandray andraikitra amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena.

 Tazana teny ny lehibeny Prefektiora sy ny sekretera jeneralin’ny faritra Sofia ‚ ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ato amin’ny faritra ‚ ireo tale sy lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ ny sekretera jeneralin’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy ary ireo mpandraharaha miaramiasa amin’ny fitsarana izay nahazo fanasana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment