a
FandraisanaPolitikaLALATIANA RAKOTONDRAZAFY SY NY ANTOKO FREEDOM : MBOLA MATOKY TANTERAKA ARY MIANTSO AN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA HIROTSA-KOFIDIANA FANINDROANY

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY SY NY ANTOKO FREEDOM : MBOLA MATOKY TANTERAKA ARY MIANTSO AN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA HIROTSA-KOFIDIANA FANINDROANY

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY SY NY ANTOKO FREEDOM : MBOLA MATOKY TANTERAKA ARY MIANTSO AN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA HIROTSA-KOFIDIANA FANINDROANY

Hatreto dia tsy mbola miova fa manga ny lanitra eo amin’ny antoko Freedom izay tarihiny Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ‚ Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina amperinasa sy ny filoha mamimbahoaka Andry Rajoelina . Nanavao sy nanamafy ny fanomezan-toky amin’ny fanohanany ny filoham-pirenena ary mbola niantso indray Andry Rajoelina mba hirotsa-kofidiana ho Filoham-pirenena ny antoko ‚ izay nilaza fa tsy mivadibadika na misababaka amin’ny filoha amperinasa.

Nivoaka io fanambarany antoko io nandritra ny lanonana fifampiarabana tratry ny taona 2023 ‚ tao Antanetibe-Ivato ‚ niarahana tamin’ny solontena isam-paritra ‚ izay nahitana Ben’ny tanàna amperinasa 72 sy mpanolotsaina 126.

 Anisany minisitra nahazo fanakianana mavaivay tamin’ity fitondrana mijoro ankehitriny izao Rtao Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ‚ izay Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina fa tsy mbola nisy sahy naningotra azy teo amin’ny toerana hatramin’izao.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment