LALAN-TAPAKA AO AMBALAVOLA RN6 : HO ASINA “PONT BAILEY”
Ny maraina teo no nahito ( rodana ) tampoka ary tapaka ny lalam-pirenena faha-06 eo amin’ny PK 217 + 100 Ambalavola ‚ Ambalafaminty Distrikan’i Antsohihy Faritra Sofia.
Miroso amin’ny fitadiavam-bahaolana ny Faritra Sofia izay tarihiny Governora Lylyson miaraka amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy – MTP Madagascar . Efa nanafatra « Pont Bailey » avy any Ambilobe izy ireo ka tombanana hanomboka rahampitso ny fametrahana izany mba hitohizany lalana sy fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-06 raha ny fampitam-baovao voaray.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.