a
FandraisanaVaovaom-paritraLAHARANA FAHA-13 : TAFIDITRA ANATIN’NY TETIK’ASA 2023 NY FANAMBOARANA NY LALAM-PIRENENA FAHA-31 ( Antsohihy – Bealanana – Andapa )

LAHARANA FAHA-13 : TAFIDITRA ANATIN’NY TETIK’ASA 2023 NY FANAMBOARANA NY LALAM-PIRENENA FAHA-31 ( Antsohihy – Bealanana – Andapa )

LAHARANA FAHA-13 : TAFIDITRA ANATIN’NY TETIK’ASA 2023 NY FANAMBOARANA NY LALAM-PIRENENA FAHA-31 ( Antsohihy – Bealanana – Andapa )

Mitohy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanarenana ireo lalam-pirenena potika sy simba eto Madagasikara . Tafiditra ho isan’ireo Tetik’asa fanamboaran-dalana 2023 ny lalam-pirenena faha-31 ‚ mampitohy Antsohihy – Bealanana – Andapa ‚ izay efa nampahafantarina fa hanomboka ny Desambra 2022 teo saingy tsy mbola tanteraka tamin’iny ary andrasan’ny maro ny fanombohana azy.

Tanàna mamokatra ary mamatsy sy mamelona Faritra maro eto Madagasikara ny Distrikan’i Bealanana ‚ izay sopitrin’ny famokaram-bary amin’ny Faritra Sofia . Manana vokatra mampiavaka azy tahaka izany ihany koa ny ao amin’ny Distrikan’i Mandritsara sy Befandriana avaratra ary Analalava ‚ izay ratsy lalana tanteraka fa indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao saingy tsy mbola tafiditra anatin’ireo lisitry ny lalana amboarina ( RN32 – RN31a … ).
Sary : lalan-tapaka tao Andohan’Ampandrana 23 Desambra 2022.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment