a
FandraisanaFanatanjahan-tenaKOLONELY SERGE ELLIOT : TSY TONGA TAMIN’IZAO ADIM-POKO IZAO ISIKA ‚ RAHA NANAO NY ASANY ARA-DALÀNA NY OMC

KOLONELY SERGE ELLIOT : TSY TONGA TAMIN’IZAO ADIM-POKO IZAO ISIKA ‚ RAHA NANAO NY ASANY ARA-DALÀNA NY OMC

KOLONELY SERGE ELLIOT : TSY TONGA TAMIN’IZAO ADIM-POKO IZAO ISIKA ‚ RAHA NANAO NY ASANY ARA-DALÀNA NY OMC

« Iceberg » no azo ilazana ny zava-misy ao amin’ny kaominina Tsiningia sy ny manodidina azy ankehitriny io ; Ny tendrony ihany no hitan’ireo tompon’andraikitra fa ny vatany ( blongany ) ao ambany izay fototry ny olana ‚ disadisa ary korontana no tokony ravana tanteraka sy hitadiavam-bahaolana . Misy mpiaro sy nahazo vahana amin’ny fandikan-dalàna ny olona iray matoa sahy milaza fa tsy matahotra « Gadra na ahiditra am-ponja ! » izany ‚ tompon’andraikitra feno amin’izao raharaha izao ny OMC ( Organe mixte de Conception ).

Miaro ny vahoaka sy ny fananany ary mitandro ny filaminana eo an-tanàna no andraikitry OMC ‚ izay ahitana ny mpitandro filaminana ao anatiny . Taiza ireo tompon’andraikitra hatrizay kanefa voalaza fa tsy niseho tamin’ny fokontany na tsy ara-dalàna ny fifindra-monina na tsy nanara-dalàna ny famoronan-tanàna nataon’ireo vahiny mpifindra monina ? Efa nisy fanarahamaso natao na fanadihadiana momba ireo vahiny tonga ve ? « Contrôle identité » ohatra ‚ olona hafahafa miditra amin’ny tanàna misy anao ve Jerem-potsiny amin’izao ary avela manao izay saim-pantany ? Ankoatrizay ‚ tamin’ny fivorian’olona tamin’ny Morengy ‚ taiza ireo mpitandro filaminana no tsy nahasakana ny fifandonana na fifanjevona nisy teo amin’ny andaniny sy ankilany ? Nanao ny asany tokoa ve izy ireo ? Anisany foko tsy tia ady ary mahalefi-javatra ny Tsimihety kanefa misy farany izany ‚ ary efa manomboka tezitra ireo tanora ao an-toerana ka mila hitroatra saingy tsy tehandatsa-dràn’olona izy ireo ka aleo jerena izay hisiany fandaminana.

Tsotra ny hevitra sy tolo-kevitra avy amiko amin’ny maha Ray aman-dReny ny tenako ato amin’ny faritra Sofia ‚ eto Port Bergé : – Tsy miditra amin’ny fandroahana ireo vahiny mpanakorontana sy mampihorohoro vahoaka ireo ny tenako hatreto fa ampanaraho lalàna izy ireo ‚ izay tsy manara-dalàna ‚ sazina ary tsy andeferana . Tsy marina izany hoe tsy matahotra Gadra izany fa fandemen-tsaina ihany ‚ fantako ireo karazan’olona ireo ‚ niara-niaina sy nifanerasera naharitra tamiko ireo fa ny lalàna velona no ampiharo ‚ hoy ny fanehoan-kevitry Kolonely Serge Elliot ‚ Manamboninahitra Zandary misotro ronono sady efa lehiben’ny faritra Sofia taloha ‚ momba ny zava-misy ao amin’ny kaominina Tsiningia Port Bergé . Nohamafisiny fa tsy tokony hiandry olona avy ivelany hitondra ny vahaolana fa ato anatiny ihany . Azo sorohina mialoha ‚ mba tsy ho mafy ny vesatry ny tranga ‚ sahala amin’ny Rivo-doza ‚ izany hoe ampianarina hanara-dalàna sy ny fomban-tany izay vahiny tonga.

KOLONELY SERGE ELLIOT : TSY TONGA TAMIN’IZAO ADIM-POKO IZAO ISIKA ‚ RAHA NANAO NY ASANY ARA-DALÀNA NY OMC

Andrasany maro ny tohin-draharaha sy ny fanapahan-kevitra mety ho raisan’ny OMC.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-