KOLONELY RICHARD RATSIMANDRAVA : TSY MIAMBOHO ADIDY AHO MON GÉNÉRAL
Feno 48 taona rahampitso 11 Febroary 2023 ny namonoana an’ny Kolonely Richard Ratsimandrava . Maty nisy nitifitra teo Ambohijatovo ‚ rehefa avy nitarika filan-kevitrin’ny minisitra ka hamonjy fodiana izy ‚ ny 11 Febroary 1975 ‚ 06 andro taoriany nandraisany fahefana maha filoham-pirenena azy.
Hisy ny fitoam-bavaka iraisam-pinoana ‚ tarihin’ny FFKM eto Antsohihy ao amin’ny EKAR Md PAOLY ‚ rahampitso 11 Febroary manomboka amin’ny 08 Ora maraina ho fahatsiarovana azy sy fahatsiarovana ireo mpitandro filaminana namoy ainy amperinasa ‚ izay hanasana ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka eto Antsohihy Faritra Sofia.