a
FandraisanaVaovaom-paritraKOLONELY LYS ODON : PASKA IREN-DOZA AO ANATY FANDRIAMPAHALEMANA NO TANJONA ‼️

KOLONELY LYS ODON : PASKA IREN-DOZA AO ANATY FANDRIAMPAHALEMANA NO TANJONA ‼️

KOLONELY LYS ODON : PASKA IREN-DOZA AO ANATY FANDRIAMPAHALEMANA NO TANJONA ‼️

Tsy afaka miaraka ny toaka sy ny familiana ‚ araho maso mialoha ny fiara ( hisatra na freins ) . Hamarino ny taratasin’ny fiara fa indrindra ny « visite technique » fandrao efa tokony hanao fitsirihana ‚ toraka izany ny ( Assurance … ) . Aoka tsy hitondra fiara na moto izay tsy manana fahazahoan-dalana mitondra izany fandrao hampidi-doza amin’ny hafa . Manaova aro-loha ( casque ) hoan’izay mitondra moto na kodiaran-droa fa hentitra ny fanarahamaso amin’ny fivezivezena mba hisorohana ireo Loza mialoha ‚ mandritra ary aoriany fetin’ny paska ‚ hoy ny Kolonely Lys Odon Randriamidona – komandy ny vondron-tobim-pileovana Sofia nampatsiahy ireo lalàna mifeny ny fifamoivoizana omaly 05 April 2023.

Mitombo iisa ny fiara na moto mivezivezy an-tanàna sy any Ambanivohitra rehefa fetin’ny paska ‚ izany no hanamafisana ny fanarahamaso mba ho fety iren-doza ‚ ny fetin’ny paska 2023 . Nohamafisina ihany koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany mandritra ny hetsika efa misy laharana maro azahoana zandary ato amin’ny faritra Sofia nozaraina sy naparitaka an-tambazotran-tserasera ka aza misalasala miantso raha misy tranga hafahafa fa vonona ny zandary amin’ny asa fampandriam-pahalemana ‚ hoy hatrany izy nirary fety sambatra hoan’ny rehetra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment