KETRIKA MALOTO SY MAMBOTRY VAHOAKA : FIPARITAHANY SOLIKA MIFANGARO ( PÉTROLE + GASOIL )▪️VOATONDRO HO TOMPON’NY KETRIKA NY MINISITRY NY MPONINA SY NY SEKRETERA NASIONALIN’NY TGV TOAMASINA NO FILOHA LEFITRY NY ANTENIMIERAM-PIRENENA ‚ MIARAKA AMIN’NY FIANAKAVIAN’NY FILOHAM-PIRENENA
Niely ary nahoraka teto Madagasikara ny fisian’ny solika mifangaro ( pétrole sy gasoil ) amidy eny amin’ny mpanjinjara solika maro samihafa ‚ betsaka ireo nahatsikaritra izany ka velon-taraina ‚ nisy ny fanadihadiana natao ifotony ‚ izay nahatratran’ny zandary olona 06 ‚ mpamily sy mpanaramaso trano fitehirizana ary mpitondra zerikanina ( bidon ).
Maniry ny hamongorana ny tambazotra sy ati-doha tompon’ny ketrika amin’io afera maizina io ny mpanjifa sy mpanara-baovao ary tsy akepoka sy tsy asiana tohiny mazava sahala amin’ny raharaha volamena nivadika vy sy ireo maro mbola mahabe resaka hatramin’izao.
Namoaka ny anaran’olona ambony ny « La gazette » androany 19 septambra 2022 . Anisany voaresaka sy voatonona ho tompon’ny ati-doha niketrika izao fomba ratsy izao ny Minisitry ny mponina amperinasa sy ny Depiote voafidy tao Toamasina voalohany sady sekretera nasionalin’ny Antoko TGV Toamasina no filoha lefitry ny antenimieram-pirenena ao amin’ny faritanin’i Tomasina ‚ Minisitry ny mponina teo aloha ‚ miaraka amin’ny olona iray voalaza ho misy rohim-pihavanana amin’ny vady andefomandrin’ny Filoham-pirenena…