KETRIKA FAMETRAHANA TETEZAMITA SY FIARAHA-MITANTANA : NIFANARAKA NY FILOHA TEO ALOHA MARC RAVALOMANANA SY HERY RAJAONARIMAMPIANINA⁉️
Nasaina nanao fanambarana ireo mpitarika antoko eny amin’ny faritra fa mitaky ny hametrahana tetezamita ny vondrona mpanohitra ? Efa tazana fa nanao ny azy ny vondrona mpanohitra ao Mandritsara faritra Sofia‚ tombanana hisesisesy izany atoato. Ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina rahateo efa hita fa nivadi-dela ary milaza fa vonona hijery tombontsoa ambonin’ny firenena amin’ny lafiny rehetra na hanao tetezamita aza.
Ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina moa‚ tsy mahataitra satria efa nambaran’ny loharanom-baovao namoaka voalohany mahakasika ity tetezamita ity fa hitarika izany ka andrasana ny mety ho tohiny. Iza no hahazo tombontsoa ambony raha miroso amin’ny tetezamita ny firenena Malagasy ? Tsy maintsy ireo efa nitondra firenena teo aloha ihany ve manampahaizana sy afaka mitarika izany eto amin’ny firenena ?