KAPITENY TOBIAS : DAHALO ROA MPAMPIHOROHORO VAHOAKA SADY MPANGALATRA OMBY MIISA ROA▪️LAVON’NY BALAN’NY ZANDARY TAO ANKERIKA
Mitohy ny ezaka ataon’ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana ‚ komandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy sy ny ekipany ‚ amin’ny fampandriana ny Distrikan’i Antsohihy sy Analalava ary Bealanana ato amin’ny Faritra Sofia . Dahalo roa efa malaza amin’ny halatr’omby ao Ankerika sy kaominina manodidina ato amin’ny Distrikan’i Antsohihy no efa velon-taraina sy mivarahontsana amin’ny fampihorohoroana ataon’izy roa lahy ireto sy ny tambazotran-dahalo izay misy azy saingy tsy mbola tratra izy ireo.
Nametraka lamina sy paik’ady vaovao afahana misambotra azy araka izany ny zandary izay tarihin’ny Kapiteny Tobias . Nidina ifotony avy hatrany tao Ankerika ary tsy nanao fanamiana maha zandary azy ‚ noho ireto olona ireto efa mahina raha mahita mpitandro filaminana.
Mbola teo ampanaovana asa ratsy izy ireo tratehaka nohon’ny fahazahoam-baovao sy fidinana ara-potoana . Namaly ihany anefa ireto farany ka raikitra ny fifanjevona ka voatery nampiasa fitaovana teny ampelatanany ny zandary ‚ Maty voatifitry noho izany i LEFIDY sy RABEMAHAZAKA efa rain-dahiny amin’ny halatr’omby raha ny fanazavana.