a
FandraisanaNon classéKAOMININA BELALONA : HAHERY VAIKA NY ADY‚ RAHA TSY MISY FANDRAISANA ANDRAIKITRA HAINGANA▪️MIANTSO NY FITONDRAM-PANJAKANA NY VAHOAKA LEO SY TOFOKA ADY ARY FANDREBIREBENA‼️

KAOMININA BELALONA : HAHERY VAIKA NY ADY‚ RAHA TSY MISY FANDRAISANA ANDRAIKITRA HAINGANA▪️MIANTSO NY FITONDRAM-PANJAKANA NY VAHOAKA LEO SY TOFOKA ADY ARY FANDREBIREBENA‼️

KAOMININA BELALONA : HAHERY VAIKA NY ADY‚ RAHA TSY MISY FANDRAISANA ANDRAIKITRA HAINGANA▪️MIANTSO NY FITONDRAM-PANJAKANA NY VAHOAKA LEO SY TOFOKA ADY ARY FANDREBIREBENA‼️

Efa hatramin’ny taona 1989 no nanomboka ny adi-tany teo amin’ny taranaka Bemirantina sy Soanaomby zanak’i Rabelalahy‚ izay tsy mbola tapitra hatramin’izao taona 2023 izao. Mifandimby migadra ny andaniny sy ankilany fa mbola mitohy ihany ny ady.

Ny 26 Oktobra 1989 : namoaka didy vonjimaika‚ manome alalana ny taranak’i Bemirantina hiasa eo amin’ny tany Anjozorobe – Maropapango fokontany Amparihy Kaominina Belalona Distrikan’i Befandriana avaratra faritra Sofia ny fitsarana ambaratonga voalohany Mandritsara‚ noho ny fisian’ireo taratasy maro‚ nihainga avy any amin’ny fokonolona‚ komitim-pokontany‚ lehiben’ny firaisam-pokontany tamin’izy ireo izay manaporofo ny maha tompony tany an’Atoa Bemirantina. Didy vonjimaika mandràra an-Rtoa Soanaomby sy taranany tsy hanelingelina ny tarak’i Bemirantina (Daulphin Edmond sy Raveloson Patrice …).

Ny taona 1990‚ nanao fangatahana Rtoa Soanaomby mba hampiasa tany saingy nolavon’ny fitsarana izany fangatahana izany ary nisy didy navoaka manambara fa tsy azo raisina ny fangatahany‚ io didy navoakan’ny fitsarana io anefa nohentiny nandrebireby ireo taranaka Bemirantina (Raveloson Patrice sy Daulphin Edmond) ary navadiny ho zavatra hafa na taratasy fandroahana ireo miasa eo amin’ny tany izay efa nankatoavin’ny fitsarana tamin’ny alalany didy navoakany ny taona 1989.
– Nidina nanatanteraka ny didim-pitsarana nivoaka ny taona 1989 io ny vaditany sy ny zandary ny taona 1995‚ nanome alalana an’ny taranaka Bemirantina hiasa ary nandroaka an-dRatoa Soanaomby sy ny taranany hiala sy tsy hanelingelina izy ireo.

Nitohy ny ady‚ nampakatra ny raharaha teny amin’ny fitsarana ambony Rtoa Soanaomby ny taona 1999 kanefa tsy nahazo ny rariny fa didy fanamafisana didy raikitra navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany no navoakan’ny fitsarana ambony ny taona 2000 noho fisian’ny taratasy feno miainga avy amin’ny fokonolona‚ niakatra tamin’ny firaisam-pokontany‚ nohamafisin’i Sous-préfet sy tompon’andraikitra misahana ny fananantany an’ny taranaka Bemirantina. Vodidin’ny fitsarana handoa onitra 200 000Ar amin’ny taranaka Bemirantina ilay Rtoa Soanaomby ary hiala eo amin’ny tany saingy tsy mbola afa-po ihany ity farany ka nampakatra ny raharaha tamin’ny fitsarana an-tampony. Tsy niova ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana an-tampony (cours de cassation)‚ izay nanome ny rariny ireo taranaka Bemirantina ary mandidy Rtoa Soanaomby hiala amin’ny tany kanefa nanohitra hatramin’ny farany ny didy napetraka izy ireo ka voasazy 02 taona an-trano maizina sy lamandy 03 Tapitrisa Ariary omena ny taranaka Bemirantina izay tsy mbola voaloa hatramin’izao raha efa vita kosa ny sazy 02 taona an-trano maizina.

Nandeha ny taona‚ niova hafa ny tompon’andraikitra tao amin’ny fitsarana Mandritsara. Rehefa nahavita sazy 02 taona an-trano maizina izy ireo dia namorona zavatra hafa indray hiadiana amin’ny taranaka Bemirantina. Nangataka refin-tany sy zavatra hafa hanakorontanana indray i Soanaomby sy ny taranany nanomboka tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny taona 2008‚ niakatra fitsarana ambony ny taona 2010 ary tonga hatrany amin’ny fitsarana an-tampony ny Oktobra 2017 fa tsy mbola nahazo ny rariny Rtoa Soanaomby.

Namorona zavatra hafa indray ireo taranaka Soanaomby nandritra ny ady mbola mandeha any amin’ny fitsarana an-tampony‚ nolazain’izy ireo fa niditra an-keriny amin’ny taniny sady nanimba voliny ireo taranaka Bemirantina‚ hany ka tsy nisy fanadihadiana intsony fa nosamborina ireo voatory ary nahiditra am-ponja ny sasany‚ izay nodidiana handoa onitra 200 Tapitrisa Ariary amin’ny taranaka Soanaomby ka vaky nandositra tsy nahazaka tanàna ny sasany tamin’ny taranaka Bemirantina ary natao lavanty ny fananany teo an-tanàna ny septambra 2017. Tsy nisy nividy anefa izany fa ny taranaka Soanaomby ihany no voalaza ho nividy ireo fananana natao lavanty.

Nisy ny fampakarana nataon’ny taranaka Bemirantina momba io raharaha io‚ kanefa nanamafy ilay didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny fitsarana ambony ny Desambra 2017. Tonga tamin’ny fitsarana an-tampony ny raharaha izay nanome ny rariny ireo taranaka

Marihina fa tanin-davanilina sy voly lavanila navolon’ireo taranaka Bemirantina ireo ihany no nitoriana azy sy nanagadrana azy araka ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment