a
FandraisanaVaovaom-paritraJUSTICE POUR SALOHY : NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA IREO OLONA 04 VOAROHIROHY TAMIN’NY FAMONOANA MPIANATRA TAO MAHAJANGA‼️

JUSTICE POUR SALOHY : NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA IREO OLONA 04 VOAROHIROHY TAMIN’NY FAMONOANA MPIANATRA TAO MAHAJANGA‼️

JUSTICE POUR SALOHY : NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA IREO OLONA 04 VOAROHIROHY TAMIN’NY FAMONOANA MPIANATRA TAO MAHAJANGA‼️

Olona efatra (04) voasaringotra tamin’ny raharaha famonoana an’ilay mpianatra nihantom-bozona tao amin’ny CAMPUS Ambondrona Mahajanga ny fiandohany volana Mey 2023 teo. Tompon-tranony mivady sy vehivavy sakaizan’itompokolahy SALOHY ary zandrin’io sakaizan’io‚ izao vao tonga herinandro vitsy talohan’ny nahafatesany araka ny fanazavana voaray.

Mialohan’ity raharaha ity dia efa nisy disadisa teo amin’itompokolahy SALOHY sy lehilahy 56taona tompon-tranony. Nolazain’io tompon-tranony io ho nangalatra volany ary mpisakaiza izy sy vadin’ilay tompon-tranony ka izany no heverina ho niteraka fikasan-dratsin’ilay rangahy tompon-trano tamin’ny famonoana azy.

Herinandro taloha kelin’iny raharaha iny koa‚ nisy tovolahy kely (novice 1er Année) avy any Mandritsara‚ volaza fa nindraman’i Salohy finday‚ notazonin’ity lehilahy tompon-trano ity an-keriny ary nampihorohoroany mafy tany amin’ny fokontany Tsararano. I Salohy no tena notadiavin-dreo tamin’izay ka efa alina be vao navotsotr’izy ireo ity Tovolahy ity.

Omaly 23 Mey 2023 no niakatra fitsarana ny raharaha‚ tamin’ny 07Ora sy sasany maraina dia efa tonga maro teny amin’ny fitsarana ny mpianatra oniversite‚ tsy nisakafo antoandro ny sasany ary tsy niala tany raha tsy efa nasaina nody sy nofitahina mba tsy hiatrika ny raharaha fa maro loatra‚ ny andro rahateo efa maizina sy alina‚ araka ny fanazavana. Vory maro naneho ny firaisankina ny zanaky ny faritra Sofia‚ amin’ny maha mpikambana zanaka Mandritsara an’i Salohy sy ny sakaizany (sipany) sy zandrin’io sakaizany io avy ao amin’ny Distrikan’i Bealanana‚ ireto farany moa samy voasaringotra anatin’ny raharaha ary samy nahiditra am-ponja vonjimaika omaly‚ niaraka tamin’ny tompon-tranony mivady.

Tsy mbola fantatra hatreto ny fotoam-pitsarana ny raharaha. Na ireo fianakaviana na ireo mpianatra naman’itompokolahy SALOHY ary fianakavian’ireo tovovavy roa nahiditra am-ponja vonjimaika ireo dia samy mirary ny hisiany fitsarana tsy mitanila ary manahy mafy amin’ny mety hisian’ny fampiasam-bola sy ketrika maloto hafa ataon’ireo tompon-trano sy ireo namany mbola miriaria ao Mahajanga. Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny fa manaramaso akaiky ity raharaha ity ny Governora Faritra Sofia ary tsy hamela izany ho vita mora araka ny fampanantenana nataony nandritra ny fandraisana ireo mpianatra zanaky ny faritra Sofia ny 13 Mey 2023 teo.

Efa in-telo (03) nahitana mpianatra misy mamono amin’ny fomba feno habibiana sy mahatsiravina tahaka izao tao Mahajanga‚ hoy ny fanamarihana nataon’ireo mpianatra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment