JOURNÉE DES ÉCOLES – CISCO ANTSOHIHY : DREN SOFIA
Niompana tanteraka amin’ny maha zava-dehibe ny fahalalana ‚ fahaizamiaina ary fikajiana ny tontolo iainana ‚ fanabeazana ‚ izay mitarika amin’ny fandrosoana lovain-jafy ny lohahevitra izay nofakafakain’ireo izay nandray fitenenana nandritra ny andron’ny sekoly teto Antsohihy ‚ renivohitry ny Faritra Sofia . Vory maro tao amin’ny Sekoly Victoire Rasoamanarivo ireo mpianatra nisolotena ny CISCO Antsohihy ‚ DREN Sofia nanamarika ny andron’ny sekoly « Journée des écoles » omaly 22 Febroary 2023.
Hetsika ara-panatanjahantena ‚ kolontsaina ‚ fifaninanana kabary sy lahatsoratra mahakasika ny lohahevitra no nandravahana ny tontolo andro ‚ nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ‚ fanomezana mari-pahatsiarovana hoan’ireo nahazo voalohany tamin’ny hetsika natao sy hoan’ireo izay nahazo « Lauréat CEPE ‚ BEPC » Cisco Antsohihy 2022.
Niatrika sy nitarika ny lanonana teny ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena – Rakotovao Razafimandimby ‚ izay nontronon’ny Lehiben’ny Prefektiora sy ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Sofia ‚ ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy ‚ Tale misahana ny fampianarana ara-teknika ‚ ireo Talen-tsekoly sy mpampianatra ary mpianatra maro.
Ny sekoly loharanom-pahalalana ‚ fahendrena ‚ fahaizamiaina ‚ mikajy ny tontolo iainana sy ny fananana iombonana