a
FandraisanaVaovaom-paritraJME – DREDD SOFIA : FANDRAOFANA FAKO ERAN’NY TANÀNA NO NANOKAFANA NY HETSIKA ‼️

JME – DREDD SOFIA : FANDRAOFANA FAKO ERAN’NY TANÀNA NO NANOKAFANA NY HETSIKA ‼️

JME – DREDD SOFIA : FANDRAOFANA FAKO ERAN’NY TANÀNA NO NANOKAFANA NY HETSIKA ‼️

Natomboka androany 03 Jona 2023 ny hetsika fanamarihana ny JME (Journée Mondiale de l’Environnement)“ANDRO MANERANTANY HO AN’NY TONTOLO IAINANA TAONA2023” teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia ka ny hetsika fandraofana fako fa indrindra ireo plastika no nanombohana izany.

Nitarika izany ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Dr Manantsoa Clermond sy ny sekretera jeneralin’ny faritra Sofia ary ny Ben’ny tanàna‚ nitronon’ireo firaisamonim-pirenena‚ fikambanana Tanora sy ireo mpianatra izay samy resilahatra fa ilaina ny fahadiovana sy ny fiarovana ny tontolo iainana tsy ho potika.

Misy ny fifaninana fanangonana fako na ireo plastika isam-pokontany mandritra ny hetsika izay vao manomboka androany. Ahodina mba ho lasa zezika‚ arina fandrehitra (charbon)‚ “pavé autobloquant” sns ireo fako‚ hoy ny fanazavana.

Ny 05 Jona no andro manerantany ho an’ny tontolo iainana fa fanombohana ihany ity natao ity‚ hisy ny hetsika maroloko handravahana izany‚ hoy hatrany ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment