JLY LYLYSON : TSY MISY HOAFA-BELA MORA IREO TOMPON’ANTOKA NAHATONGA LOZA NAMOIZANA AIN’OLONA AMPOLONY MARO TANY AN-DRANOMASINA
Ny alin’iny tranga iny ihany dia efa voasambotra tao Analalava ilay Botry mpitatitra entana tsy nijanona namojy ireo olona traboina vokatry ny fifandonana taminy fa nanohy ny diany . Mandray ny andraikiny amin’ny famotorana ny mpitandro filaminana ankehitry ary manaraka akaiky ny toe-draharaha sady tsy hanaiky izany ho vita moramora ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ araka ny fanazavana nataony androany 14 Septambra 2022 ‚ raha nihaona tamin’ireo hiraka avy any amin’ny APMF foibe hijery ifotony ny tranga afana mametraka ireo paikady ‚ aro-loza miaraka amin’ny fitondram-panjakana ifotony.
Nambarany nandritra ny tafa hoan’ny mpanao gazety fa miisa 20 ireo Razana efa hita ‚ efa tafakatra an-tanety ihany koa ilay Botry rendrika ‚ tsy nahitana nahita nofo mangatsiaka na iray tao anatiny . Ny hafainganany fandraisana andraikitra aty ifotony nahafahana nisambotra haingana ireo tompon’antoka efa nikasa handositra ary ny fahitana haingana ireo nofo mangatsikan’ireo mpandeha natelin’ny rano tao Ampondrabe.