a
FandraisanaToekarenaJLY LYLYSON : ATAOVY VAINDOHAN-DRAHARAHA NY TOMBONTSOAN’IREO TANTSAHA MPAMBOLY LAVANILA‼️

JLY LYLYSON : ATAOVY VAINDOHAN-DRAHARAHA NY TOMBONTSOAN’IREO TANTSAHA MPAMBOLY LAVANILA‼️

JLY LYLYSON : ATAOVY VAINDOHAN-DRAHARAHA NY TOMBONTSOAN’IREO TANTSAHA MPAMBOLY LAVANILA‼️

Nanao fanambarana amin’ny maha Governoran’ny faritra Sofia azy ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ manoloana ny fankan-kevitra momba ny fanalàlahana ny seha-pihariana lavanila izay natao tany amin’ny faritra SAVA sy fivoriana niarahana tamin’ny CNV tany Antananarivo ny fiandohany volana April 2023 teo.

Aoka ny tombontsoa ambonin’ireo tantsaha mpamboly sy mpamokatra lavanila ifotony no atao vaindohan-draharaha ambonin’ny sehatra rehetra na ny mpanondrana lavanila any ivelany na ireo mpijirika na ireo mpanangom-bokatra satria tsy misy lavanila ahondrana ivelany eto ‚ raha tsy mamokatra sy mikarakara izany ireo tantsaha ifotony ‚ ka tokony hatao mazava tsara ny fanalalahana momba ity seham-pihariana ity ‚ hoy izy nampiaka-peo sady nitaky fisokafana sy fivelarana amin’ny faritra rehetra izay mamokatra lavanila rehefa manao fankan-kevitra fa tsy ajanona ao amin’ny faritra iray ihany.

Notsiahiviny fa anisany faritra mamokatra lavanila ny faritra Sofia izay ahitana Distrika 07 ka ny 05 amin’izy ireo efa ahitana lavanila avokoa ( Analalava – Befandriana avaratra – Mandritsara – Bealanana – Antsohihy ) ‚ noho izany dia tokony hakana hevitra avokoa ny faritra rehetra mamokatra lavanila mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra momba ity seham-pihariana ity.

Anatin’izany rehetra izany dia tokony fanapahan-kevitra mampitombo vidin’ny lavanila ifotony no raisainy fa tsy atao gaboraraka araka ny fanalalahana takiany sasany hanaraka ny sitrapony mba handrebirebena ny tantsaha . Sarotony aho ary tsy maintsy mijoro miaro ireo tantsaha mpamboly lavanila satria tsy mora ny asan’izy ireo . Tsy olana ny fanalalahana ny fanondranana lavanila any ivelany fa apetraho mazava ny fetra farany ambany ( prix plancher ) hoan’ny tantsaha mpamboly ary andraisana fepetra hetitra izay mandika sy mampidina izany fa raha mividy ambony kosa tsy ferana.

Matoa tsy mihetsika sy milamina ny faritra Sofia hatreto dia misy lamina napetraka ato fa tsy izay faritra mihetsika kosa dia omena azy izay takiany nefa manapotika tantsaha sy faritra hafa izay mamokatra lavanila ‚ hoy hatrany ny Jeneraly Lylyson René de Rolland – Governoran’ny faritra Sofia ‚ nangataka ny fanemorana ny fanapahan-kevitra noraisina momba ny fanalalahana ny seham-pihariana lavanila.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment