a
FandraisanaFialambolyJEUX VIDÉO ANTSOHIHY : NITERAKA SAVOROVORO▪️MPIANATRA IRAY VAKI-LOHA VOATORA-BATO ‚ IRAY HAFA LASAN’NY MPITANDRO FILAMINANA

JEUX VIDÉO ANTSOHIHY : NITERAKA SAVOROVORO▪️MPIANATRA IRAY VAKI-LOHA VOATORA-BATO ‚ IRAY HAFA LASAN’NY MPITANDRO FILAMINANA

JEUX VIDÉO ANTSOHIHY : NITERAKA SAVOROVORO▪️MPIANATRA IRAY VAKI-LOHA VOATORA-BATO ‚ IRAY HAFA LASAN’NY MPITANDRO FILAMINANA

 Raikitra ny savorovoro teo Ambalabe Ouest ‚ manodidina ny toeram-pilalaovan’ankizy ( jeux vidéo ) ka mpianatra iray vaki-loha noho ny tora-bato ‚ iray hafa nosamboriny mpitandro filaminana androany marainan’ny Zoma 10 Febroary 2023 ‚ tokony ho tamin’ny 11 Ora teo.

Niara niloka ‚ nilalao “jeux vidéo” ‚ nifanaraka fa omena 1000Ar izay mandresy amin’izy roalahy saingy nandà tsy hanome izany ny iray tamin’izy ireo ary nandrahona ny hitsatok’antsy ilay mpandresy ihany koa ‚ iny no navian’ny tora-bato ka nahavaky lohan’ilay iray voalaza fa resy tamin’ny lalao nifanarahana‚ araka ny fanazavana nataony ankizy izay nanatri-maso ity tranga ity.

 Nohentin’ireo namany namonjy toeram-pitsaboana moa ilay ankizy lahy vaky loha ‚ raha nohentiny mpitandro filaminana izay tsy nanao fanamiana kosa ilay nitora-bato.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment