a
FandraisanaPolitikaJEUNES TIM SOFIA : NY FILOHA RAVOLAMANANA IHANY NO MAHAVAHA OLÀNA MISY ETO MADAGASIKARA

JEUNES TIM SOFIA : NY FILOHA RAVOLAMANANA IHANY NO MAHAVAHA OLÀNA MISY ETO MADAGASIKARA

JEUNES TIM SOFIA : NY FILOHA RAVOLAMANANA IHANY NO MAHAVAHA OLÀNA MISY ETO MADAGASIKARA

aratry ny tsy fahombiazan’ny fitondrana mijoro ankehitriny ny fisian’ny fahatapahany herinaratra miverim-berina sy tsy nahitam-bahaolana efa am-bolana maro tahaka izao miseho eto Antsohihy izao . Ny herinaratra no hiankinany ankamaroan’ny fiharian’olona ( Mpandrafitra ‚ Cyber ‚ mpivarotra ‚… )saharina ny vahoaka nohon’ny fahatapahan-jiro lavareny izay tsy mazava amin’ny vahoaka ny tena antony . Ankoatrizay ‚ ny fahapotehany lalana rehetra fa indrindra ato amin’ny Faritra Sofia izay tsy mbola nisy tahaka azy hatrizay . Midika izany fa tsy mahavaha olana ny fitondrana misy ankehitriny ary ny filoha Ravalomanana ihany no azo anankinana fahatokisana hamaha ireo olana maro mianjady amin’ny vahoaka ireo ka miantso isika rehetra mba sahy hijoro ‚ hoy ny Filohan’ny rezionalin’ny Tanora TIM ato amin’ny faritra Sofia ‚ Toavinjafy Cartelo Judickaël ‚ androany 14 Janoary 2023.

Ho fiatrehana ny taom-baovao 2023 dia nisy ny lanonana fifampiarabana tratry ny taonan’ireo “ JEUNES TIM SOFIA ” tao amin’ny Hôtel Tropic Ambalabe Antsohihy . Tany an-toerana niatrika ny fotoana ireo solontena sady hiraka nalefan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ‚ tazana tao ihany koa ny lehiben’ny Faritra Sofia teo aloha Rafaralahy Richardin Redeck.
Nisy ny fizarana maripahaizana (Attestation) hoan’ireo tanora nahavita fihofanana momba ny fanamboarana savony ‚ hitohy ny fampiofanana tanora fa na izany hifantoka misimisy kokoa amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny Tanora TIM izay vonona ny handray fandresena ‚ hoy hatrany ny filohan’ny Tanora TIM Sofia sady niantso ny olom-pirenena rehetra ho tonga hanatevin-daharana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment