a
FandraisanaPolitikaJENERALY RICHARD RATSIMANDRAVA : FILOHAM-PIRENENA MALAGASY ▪️MATY VOATIFITRY ‚ 48 TAONA LASA IZAY

JENERALY RICHARD RATSIMANDRAVA : FILOHAM-PIRENENA MALAGASY ▪️MATY VOATIFITRY ‚ 48 TAONA LASA IZAY

JENERALY RICHARD RATSIMANDRAVA : FILOHAM-PIRENENA MALAGASY ▪️MATY VOATIFITRY ‚ 48 TAONA LASA IZAY

Mihatra amin’aina ny fanompoana sy fitiavan-tanindrazana ‚ mpitandro filaminana maro no efa lavo noho ny fiarovana ny firenena ‚ fampandriana fahalemana teto Madagasikara ‚ ao ireo maty voatifitra mifanjevo amin’ny dahalo ‚ ao kosa ireo maty voatifitra noho ny raharaha politika . Hoan’i Tanindrazana na ho faty na ho velona no efa nanoloran’ireo mpitandro filaminana ny ainy.

Tsy mora araka izany ny zavatra manjohy ny mpitandro filaminana ‚ indrindra rehefa eny an-kianja na koa mahazo baiko . « TSY MIABOHO ADIDY AHO MON GÉNÉRAL » io no teny nambarany Kolonely Richard Ratsimandrava ‚ raha nahazo baiko amin’ny fitondrana ny firenena Malagasy ny taona 1975 . 06 andro monja izy no nitondra firenena rehefa nahazo fahefana ny 05 Febroary 1975 ary maty voatifitra teo Ambohijatovo ny 11 Febroary 1975.

Tsy maty ao ampon’ny zandary ary Tsaroana isan-taona ny daty namoizana an’ny Jeneraly Richard Ratsimandrava ‚ izay filoham-pirenena Malagasy . Tsy ny zandary ihany no tokony hahatsiaro ity daty manan-tantara ity fa ny vahoaka Malagasy rehetra satria Filoham-pirenena Malagasy ity maty voatifitra tamin’ny 11 Febroary 1975 ity ‚ hoy ny Kolonely Lys Odon Radiamidona ‚ komandin’ny vondron-tobim-pileovana Sofia raha nandray fitenenana nandritra ny vavaka firaisam-pinoana niarahana tamin’ny FFKM Antsohihy tao amin’ny Parosy Md Paoly.

Miverim-berina amin’ny haino aman-jery ny tsy fandriampahalemana sy ny habibiana ataony dahalo eto Madagasikara ‚ ny mpitandro filaminana no mifanehitra amin’izy ireny ary misy ny aina afoy indraindray koa mankahery ireo mpitandro filaminana ‚ ary mitso-drano azy ireo ‚ mba handresy hatrany amin’ny ady ary hahatratra ny fisotroan-dronono ‚ izahay dia mivavaka ho anareo hatrany fa tsy mora ny asa nanendrena anareo ‚ hoy Pasitera David ‚ nankahery ireo mpitandro filaminana.

Anisan’ireo tazana namonjy ity fitoam-bavaka niraisam-pinoana androany ity ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ Gouverneur Faritra Sofia ‚ ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ‚ ireo lehibe mpitarika ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny ato amin’ny Faritra Sofia.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment