a
FandraisanaFilazana manjoITOMPOKOLAHY SALIMO ALY : OMENA VONINAHITRA NY RAZANY ALOHAN’NY HANDEVENANA AZY‼️

ITOMPOKOLAHY SALIMO ALY : OMENA VONINAHITRA NY RAZANY ALOHAN’NY HANDEVENANA AZY‼️

ITOMPOKOLAHY SALIMO ALY : OMENA VONINAHITRA NY RAZANY ALOHAN’NY HANDEVENANA AZY‼️

Nifandimby nitondra teny fampionana sy fankaherezana ny fianakavian’ itompokolahy SALIMO ALY dit Papan’i Lydio Olizara ny vahoaka teto Antsohihy hatramin’ny fotoana namoizana azy ary mitohy isan’andro izany mandrapaha hanitrihana azy.

Androany 26 Mey 2023 no niara nanao rodobe ireo tompon’andraikitra ara-panjakana eto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia‚ naneho ny firaisankina‚ nankahery ny fianakaviana‚ nitarika izany ny sekretera jeneralin’ny faritra Sofia‚ raha omaly alina ny ireo tanora mivondrona ao amin’ny Plateforme des associations des Sofia‚ izay notarihiny Filoha Lefitry ny vondrona Atoa Tilaide Partout sy ireo Staff ao anatiny‚ amin’ny maha mpikambana mavitrika an’Andriamatoa Olizara Lydio ( zanak’itompokolahy Salimo Aly) ao anaty PAJ – SOFIA sady Sekretera jeneralin’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy.

Hatao rahampitso 27 Mey 2023 ao amin’ny fasana miaramila Antsohihy ny fandevenena‚ hisy ny fanomezan-boninahitra ny Razana mialoha ny hiaingana‚ hialana any amin’ny tranony amin’ny 01 Ora tolakandro raha tsy misy fihovana.

Manana mariboninahitra “GRAND OFFICIER DE L’ORDRE NATIONALE » itompokolahy SALIMO ALY ary nahavita be tamin’ny firenena sy fiarahamonina nisy azy sady anisan’ireo Ray aman-dReny‚ Sojabe manana ny maha izy azy eto Antsohihy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment